MOFON’AINA ALAKAMISY 09 DESAMBRA 2021

1 Aoka hitsangana Andriamanitra, ka hiely ny fahavalony; ary aoka izay mankahala Azy handositra ny tavany. 2 Tahaka ny fanely setroka no fanelinao azy; tahaka ny fiempon’ny savoka eo anoloan’ny afo no aoka hahalevonan’ny ratsy fanahy eo anatrehan’Andriamanitra. 3 Fa ny marina mifaly; eny, ravoravo eo anatrehan’Andriamanitra izy ka faly tokoa.4 Mihirà ho an’Andriamanitra, mankalazà ny anarany; manamboara lalana ho an’izay mitaingina mamaky ny efitra Jehovah no anarany ary mifalia eo anatrehany.
SALAMO 68 :1-4

NY FIFALIAN’NY OLONA MIARAKA AMIN’ANDRIAMANITRA

Rehefa monina eo amin’ny olony Andriamanitra dia resy tosika ny fahavalo rehetra. Mifaly ny olona.

1-Miara-dia amin’ny olony Andriamanitra

« Aoka hitsangana Andriamanitra ». Izany no antso ataon’ny mpanompon’Andriamanitra .Toy ny olona mandeha làlan-tsarotra ka mangataka ny fanatrehan’Andriamanitra. Mangataka ny fitondran’Andriamanitra mba tsy ho irery manoloana ny toe-javatra tsy maintsy handehanana.Ny olona mino fa manatrika ny fiainany Andriamanitra , tsy mamela azy hiady irery dia mahay mifaly, mahatsapa ny fombàn’Andriamanitra , ka na dia maro aza ny zava-manahirana dia resy ny adi-tsaina , miova ho fifaliana ny fahoriana .Misy tokoa ny fifaliana ho antsika ao amin’Andriamanitra .Minoa fa miara-dia aminao Izy , manatanteraka ny teniny , dia ho tsapanao izany.

2-Mandositra ny fahavalo

Rehefa miseho sy miasa eo amin’ny fiainan’ny vahoakany Andriamanitra dia resy tosika ny fahavalo rehetra .Tsaroana eto ny zava-mitranga tamin’ny fotoana niaingan’ny Zanak’Israely niala tany an’efitr’i Sinay nitondra ny fiaran’ny fanekena (Nom 10) .Tsy manan-kery eo anoloan’ Andriamanitra ny fahavalo rehetra, mandositra, miely toy ny setroka, miempo toy ny savoka. Misitraka fiainam-pahasoavana kosa ny vahoakan’Andriamanitra, voavonjy tamin’ny tànan’ny fahavalo ka mifaly, midera mankalaza an’Andriamanitra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra