MOFON’AINA ALAROBIA 13 APRILY 2022

12Ary nony ampitson’iny ny vahoaka betsaka, izay tonga ho amin’ny andro firavoravoana, rehefa nahare fa hankany Jerosalema Jesosy, 13dia naka sampan-drofia ka nivoaka hitsena Azy sady niantso hoe: Hosana! Isaorana anie ny Mpanjakan’ny Isiraely, Ilay avy amin’ny anaran’i Jehovah (Sal. 118, 26). 14Ary Jesosy nahita zana-boriky anankiray, dia nitaingina azy, araka ny voasoratra hoe: 15Aza matahotra, ry Ziona zanakavavy; indro, avy ny Mpanjakanao mitaingina zana-boriky (Zak. 9. 9). 16Izany zavatra izany dia tsy fantatry ny mpianany tamin’ny voalohany; fa rehefa niditra tamin’ny voninahiny Jesosy, dia vao nahatsiaro izy fa voasoratra hilaza Azy izany zavatra izany, ary efa nataony taminy izany. 17Ary nanambara Azy ny vahoaka izay teny aminy, fony Izy niantso an’i Lazarosy hivoaka tamin’ny fasana ka nanangana azy tamin’ny maty. 18Ary izany koa no nitsenan’ny vahoaka Azy, satria efa reny fa nanao izany famantarana izany Izy. 19Ary tamin’izany ny Fariseo dia nifampilaza hoe: Hitanareo fa tsy mahefa na inona na inona akory ianareo; indro, efa lasa manaraka Azy avokoa izao tontolo izao.JAONA 12:12-19

Ny fiakaran’i Jesoa tao Jerosalema no tantaraina eto. Enina andro talohan’ny Paska no nankany Betania Izy ,ary ny ampitson’iny dia nikasa hankany Jerosalema .Io fiakaran’i Jesoa io dia :

1-Niteraka fihobiana nakotrokotroka ho an’i Jesoa (and 13)

Nahare ny vahoaka fa hankany Jerosalema i Jesoa .Nasehon’izy ireo tamin’ny alalan’ny sampandrofia izany.Misy voambolana maro nampiasain’ny mpanoratra teto hanehoana izany . « Hosana …! » izay midika hoe: « Ataovy mpandresy izahay » no nampiasaina satria i Jesoa dia noraisin’izy ireo toy ny mpanafaka azy amin’ny gejan’ny Romana.Isaorana anie izay avy amin’ny Anaran’i Jehovah …izay anambaran’izy ireo ny maha- irak’Andriamanitra an’i Jesoa Kristy hitondra fanavotana ho azy .Ataovy makotrokotroka tahaka izany koa ny fandraisanao an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainanao, ary asehoy amin’ny alalan’ny fihetsika izany. Ohatra : fihobiana, mba handraisanao ny famonjena entiny ho anao.

2-Mahatanteraka ny Soratra Masina (and 14-15)

Nitaingina zana-boriky i Jesoa fa tsy soavaly .Midika izany fa tsy ho amin’ny ady na herisetra mihitsy no nahatongavany. I Jesoa mantsy dia tena Mpanjaka, araka ny and 15 ny amin’ny Zakaria 9.9 « Mpanjakanao ». Noho izany dia tsy azon’ iza na iza baikoina izy .Saika nalain’ny Galiliana an-keriny i Jesoa hataony mpanjaka , kanefa tsy azony (Jao 6.15) .Tanteraka tokoa izay voalazan’ny Mpaminany , satria i Jesoa Kristy mihitsy no ilay teny tonga nofo . Izy tonga voavono mba hamonjy ny zanak’olombelona. Ary izany fahatanterahan’ny Soratra Masina izany dia tsy fantatry ny mpianatra raha tsy taorian’ny fihobiana .Sarobidy tokoa ny Tenin’Andriamanitra, izay tanteraka tao amin’i Jesoa Kristy dia meteza àry ianao hanaiky sy hanaraka izany .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.