MOFON’AINA ALAROBIA 8 JONA 2022

1Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary sy ny lanitra sy ny tany.2Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin’ny lalina. Ary ny Fanahin’Andriamanitra nanomba tambonin’ny rano.3Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava. 4Ary hitan’Andriamanitra fa tsara ny mazava; ary nampisarahin’Andriamanitra ny mazava sy ny maizina. 5Ary Andriamanitra nanao ny mazava hoe ,andro’; ary ny maizina nataony hoe ,alina’. Dia nisy hariva, ary nisy maraina,–andro voalohany izany.GENESISY 1:1-5

1-Manome endrika sy hatsarana ny tsy misy endrika sy dikany ny Tompo (and 1,2)

Tantaran’ny namoronan’Andriamanitra ny lanitra sy ny tany ireto andininy roa ireto.Voalaza eto fa ny tany dia foana sy tsy nisy endrika , kanefa jereo àry amin’izao ny hatsaran’ny lanitra sy ny tany .Izany no herin’ny Tenin’Andriamanitra miasa eo amin’ny zava-boahary .Toy izany koa io fiainanao izay heverinao sy hitanao fa tsy misy endrika sy dikany io . Ny Tenin’Andriamanitra : no hanome endrika sy dikany azy indray .Ratsy be ny fiainanao, hoy angamba ianao. Tsy misy dikany ihany koa fa raiso ny Tenin’Andriamanitra , iaino sy ivelomy dia ho hitanao ny fivoarany fa ho vaky vava ianao fa marina ny Tenin’Andriamanitra . Jesoa Kristy , Ilay Tenin’Andriamanitra , tonga nofo. Avelao ho mpanjakan’ ny fonao Izy dia ho hitanao fa « Izy no nisiam-pianana » (Jao 1 :4a)

2-Manome fahalavorariana eo amin’ny fiainana ny Tompo na ny miabo na ny miiba (and 4)

Noforonin’Andriamanitra ny mazava mba hanome hatsarana sy fahalavorariana ho an’ny olona .Iza tokoa no tsy ho faly rehefa tonga ny mazava ? .Tsara ny mazava . Aza adinoina fa i Jesoa Kristy no fahazavan’izao tontolo izao, nefa aza adinoina koa fa ny aizina dia nosarahina tamin’ny mazava , dia nisy ny hariva , nisy ny maraina (and 5) .Indraindray mba mandalo aizina ihany , ary ao no anantenana ilay maraina hitondra fahazavana .. Izay ilay fiainana, ka aza kivy fa ilaina ihany ireny zavatra miiba ireny mba hanakaikezana Azy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.