MOFON’AINA ALATSINAINY 10 JANOARY 2022

17 Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, Ary tsy misy voany ny voaloboka, Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, Na dia vonoina aza ny ondry ao amin’ny vala, Ary tsy misy omby ao am-pahitra,18 Nefa izaho dia mbola hifaly amin’i Jehovah ihany Sy hiravoravo amin’Andriamanitry ny famonjena ahy.19 Jehovah Tompo no tanjako, Ary manao ny tongotro ho toy ny an’ny dieravavy Izy Ka mampandeha ahy any amin’ny havoanako.
HABAKOKA 3 : 17 -19

NY TOETRY NY OLONA MAHATOKY AN’ANDRIAMANITRA

Ity Soratra Masina voalahatra anio ity dia ao anatin’ny vavaka nataon’i Habakoka, hanehoany ny fahatokiany an’Andriamanitra:

1- Manana fanantenana (and 17)

Tsy tokony hanadino isika fa mety handalo eo amin’ny fiainana ny olana samihafa; mety hisy ny fahadisoam-panantenana rehefa tsy araka izay nokasaina no mitranga ; mety hiatrika fahoriana nohon’ny ataon’ny hafa isika, tahaka izay nanjo ny Israely noho ny nafitsoky ny Babyloniana. Ankoatr’izany dia ao koa ireo loza voajanahary, toy ny hain-tany, ny tondra-drano, ny horohoron-tany sns… Ireny rehetra ireny no mazàna mahakivy ny olona ka mahatonga azy hanadino fa Andriamanitra no mpiaro ny olony. Manoloana izany dia asehon’i Habakoka fa tsy azo hozongozonina ny finoana sy ny fahatokiany an’Andriamanitra: « Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy … » (and.17). Azony antoka fa ny zavatra rehetra dia eo ambany fahefan’Andriamanitra mpahary.

2- Mankalaza an’Andriamanitra (and.18)

Ny olona miorina tsara amin’ny finoana dia afaka mifaly sy hankalaza an’Andriamanitra na dia anatin’ny fotoan-tsarotra aza. « Nefa izaho dia mbola hifaly amin’i Jehovah ihany, sy hiravoravo amin’Andriamanitry ny famonjena ahy. » (and.18). Satria miorina tsara ny fahatokiany ny famonjen’Andriamanitra, afaka manovo hery avy Aminy izy ka mahatsiaro ho mpandresy. « Jehovah Tompo no tanjako, ary manao ny tongotro ho toy ny an’ny dieravavy Izy ka mampandeha ahy amin’ny havoanako » (and.19). Isika koa dia mpandresy tahaka azy noho ny amin’ny famonjen’i Jesoa Kristy araka ny voasoratra hoe : « Kanefa amin’izany rehetra izany dia manoatra nohon’ny mpandresy isika amin’ny alalan’ilay tia antsika ». ( Rom. 8 :37).

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.