MOFON’AINA ALATSINAINY 14 JONA 2021

7 Ary hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Anio no hanandratako anao eo imason’ ny Isiraely rehetra, hahafantarany fa tahaka ny nombako an’ i Mosesy no hombako anao koa.8 Ary mandidia ny mpisorona izay mitondra ny fiaran’ ny fanekena, ka ataovy hoe: Rehefa mihatra amin’ ny moron’ i Jordana hianareo, dia mijanòna eo Jordana ihany.9 Ary Josoa nanao tamin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Mankanesa atỳ, ka mihainoa ny tenin’ i Jehovah Andriamanitrareo.10 Dia hoy Josoa: Izao no hahafantaranareo fa eo aminareo Andriamanitra velona, ka horoahiny eo alohanareo tokoa ny Kananita sy ny Hetita sy ny Hivita sy ny Perizita sy ny Girgasita sy ny Amorita ary ny Jebosita:11 Indro, ny fiaran’ ny faneken’ ny Tompon’ ny tany rehetra no mandroso eo alohanareo ho eo Jordana;12 koa ankehitriny mangalà lehilahy roa ambin’ ny folo amin’ ny firenen’ Isiraely ho anareo, dia iray avy isam-pirenena;13 ary raha vao mijanona eo amin’ ny rano Jordana ny faladian’ ny mpisorona izay mitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, Tompon’ ny tany rehetra, dia ho tapaka ny rano Jordana, dia ny rano izay midina avy any ambony, ka hijanona ho toy ny antontan-javatra.14 Ary raha niala tamin’ ny lainy hita an’ i Jordana ny olona, ary ny mpisorona nitondra ny fiaran’ ny fanekena eo alohan’ ny olona,15 ka tonga teo Jordana izay nitondra ny fiara, ary naroboky ny mpisorona izay nitondra ny fiara tamin’ ny sisin-drano ny tongony (fa tondraka mihoatra ny morony rehetra Jordana mandritra ny fararano),16 dia nijanona ny rano izay nidina avy tany ambony ka tonga toy ny antontan-javatra terỳ lavitra erỳ, dia terỳ amin’ ny tanàna Adama, izay eo anilan’ i Zaretana; eny, tapaka tokoa ny rano izay nidina ho any amin’ ny ranomasin’ ny tani-hay, dia ny Ranomasin-tsira; ary ny olona dia nita tandrifin’ i Jeriko.17 Ary ny mpisorona izay nitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah dia nijoro tsara tamin’ ny tany maina teo afovoan’ i Jordana, ary ny Isiraely rehetra nandeha tamin’ ny tany maina mandra-pahatafitan’ izy rehetra an’ i Jordana.
JOSOA 3 : 7-17

JOSOA MPANOMPON’ANDRIAMANITRA

Josoa no nomanin’Andriamanitra hitondra sy hitarika ny zanak’Israely hiditra ny tany Kanana. Rehefa tena dinihina ny fiainana dia hita mihitsy fa tena nahay nianatra tamin’I Mosesy ny fomba fitondra ny vahoaka Israely izy :

1- Nomban’Andriamanitra izy and 7)

Ilay fombàn’Andriamanitra an’i Josoa dia tsy zava-baovao taminy. Efa hitany sy tsapany teo amin’ny fiainan’i Mosesy izany. Ny teny hoe : « tahaka » eo amin’ ny and 7 dia milaza mazava fa tena mitovy tamin’izay nomban’Andriamanitra an’i Mosesy ny an’i Josoa. Izany moa dia ho enti-milaza fa tsy miova Andriamanitra eo amin’ny fitondrany ny Mpanompony. Tiany hatoky Azy Josoa ka izany rahateo no nilazany hoe « tahaka » na iza na iza manompo an’Andriamanitra io eo amin’ny andraikitra nomeny.

2- Nitaona ny vahoaka Israely hihaino (and 9)

Anisan’ny andraikitra maha-mpitarika ny vahoaka Israely ny fitaomana azy hihaino an’Andriamanitra. Ny hoe : mihaino an’Andriamanitra dia azo adika koa hoe : mifandray sy mifanerasera amin’Andriamanitra. Niezaka namboly izany fifandraisana izany teo Andriamanitra sy ny vahoakany i Josoa . Adidin’izay mitondra sy mitarika araka izany ny manao izay hampisy fifandraisana eo amin’Andriamanitra sy ny vahoakany. Izany rahateo no andraikitra voalohany andrasan’Andriamanitra amin’izay nofidiany hitondra ny vahoakany. Niezaka nampifandray ny olona rehetra tamin’Andriamanitra i Jesoa . Izay no maha-mpitarika Azy, izay no maha mpanelanelana Azy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.