MOFON’AINA ALATSINAINY 23 MAY 2022

19Ary izay niely noho ny fanenjehana tamin’i Stefana dia nandeha hatrany, Foinika sy Kyprosy ary Antiokia, nefa tsy nitoriteny tamin’ny olona izy, afa-tsy tamin’ny Jiosy ihany. 20Ary ny sasany tamin’ireny, dia lehilahy avy any Kyprosy sy Kyrena izay tonga tany Antiokia, dia niresaka tamin’ny jentilisa koa ka nitory an’i Jesosy Tompo. 21Ary ny tanan’ny Tompo nomba azy ireo, ka maro no isan’izay nino sy niverina ho amin’ny Tompo. 22Ary ren’ny sofin’ny fiangonana tany Jerosalema ny amin’ireo, dia naniraka an’i Barnabasy izy handeha hatrany Antiokia. 23Ary rehefa tonga izy ka nahita ny fahasoavan’Andriamanitra, dia faly ka nananatra azy rehetra haharitra hiray amin’ny Tompo amin’ny fo minia fatratra. 24Fa lehilahy tsara fanahy izy sady feno ny Fanahy Masina sy finoana; ary maro be ny olona nanampy ho an’ny Tompo. 25Dia lasa Barnabasy nankany Tarsosy hitady an’i Saoly. 26Ary rehefa nahita azy izy, dia nitondra azy hankany Antiokia. Ary niara-niasa tao amin’ny fiangonana hatramin’ny herintaona ngarangidina izy roa lahy ka nampianatra olona maro; ary tany Antiokia no voalohany nanaovana ny anaran’ny mpianatra hoe kristiana.ASAN’NY APOSTOLY 11: 19-26

MPINO TARIHIN’NY FANAHY MASINA

Ny asa fanompoana notanterahin’i Barnabasy tany Antokia no hitantsika eto. Barnabasy nanana ny Fanahy Masina nitarika azy tamin ny fanompoana ny Tompo

1- Mampiorina tsara ny hafa

Noho ny fanenjehana nahazo ny Fiangonana dia niely tamin’ny faritra maro ny mpino kristiana. Ny fitoriana ny Tenin’Andriamanitra nataon izy ireny tamin’izany dia naharesy lahatra olona maro hanara-dia ny Tompo. Ho fampaherezana sy ho fampiorenana tsara ireny Fiangonana vaovao ireny no nanirahin’ny Fiangonana tany Jerosalema an’i Barnabasy. Nananatra, nampahery ny olona ny amin’ny fiainana miaraka amin’i Jesoa Kristy i Barnabasy, naharesy lahatra olona maro ny asany ka nahatonga ny Fiangonana handroso hatrany (and.23, 24).

2- Mahay miara-miasa amin’ny namany

Nitombo isa ny mpanara-dia an’i Jesoa Kristy tao Antokia. Tsy nijanona niasa irery tamin’ny fampianarana sy fikarakarana ny fiainam-panahin’ny mpino i Barnabasy fa nandeha nitady an’i Paoly tany Tarsosy hanampy azy. Naharitra herintaona izy roalahy niaraka nanatanteraka ny asa fanompoana tao Antokia – noho izany. Izany fiaraha-miasa izany dia noho ny asan’ny Fanahy Masina nitarika, nampahery azy ireo ary indrindra nampiombona tamin’ny asa fanompoana. Ny olona manana ny Fanahy Masina dia mahay miara-miasa amin’ny olomboafidy toa azy ho fampandrosoana ny asa fitoriana ny Filazantsara.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.