MOFON’AINA ALATSINAINY 4 APRILY 2022

7 Fa manana izao rakitra izao amin’ny vilany tany izahay, mba ho an’Andriamanitra ny halehiben’ny hery, fa tsy ho avy aminay. 8 Voageja manodidina izahay, nefa tsy tery; very hevitra, nefa tsy mamoy fo; 9 enjehina, nefa tsy nafoy, potraka, nefa tsy maty; 10 mitondra ny fahafatesan’i Jesosy mandrakariva ao amin’ny tena izahay, mba haseho ao amin’ny tenanay koa ny fiainan’i Jesosy. 11 Fa izahay izay velona dia atolotra ho amin’ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin’i Jesosy, mba haseho ao amin’ny nofonay mety maty koa ny fiainan’i Jesosy. 12 Koa ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana kosa ao aminareo. 13 Ary satria manana izany fanahin’ny finoana izany indrindra izahay, araka ny voasoratra hoe: Nino aho, ka dia niteny (Sal. 116 : 10), dia mino koa izahay ka miteny; 14 fa fantatray fa Izay nanangana an’i Jesosy Tompo no hanangana anay koa miaraka aminareo. 15 Fa ny zavatra rehetra dia natao noho ny aminareo, mba hitomboan’ny fisaorana ho voninahitr’Andriamanitra noho ny fitombon’ny fahasoavana amin’ny maro. 16 Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan’andro isan’andro kosa ny toetray anatiny. 17 Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ho anay, 18 raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.II KORINTIANA 4:7-18

1-Mety maty ny olona rehetra

Raha ny asa fanompoana mafy sy sarotra efa natrehan’I Paoly sy mbola tanterahiny no zohina dia fantany fa tsy maintsy mbola hamoizany ny ainy mihitsy izany. Izany no nitenenany eto hoe ny fahafatesana no miasa ao aminay(cf2 Kor.1 :8-9) ary lalana halehan’ny velona rehetra koa izany fahafatesana izany raha ny marina.Noho izany aoka ny olona hiomana amin’izany trangam-pahafatesana izany satria izany no zava-misy hatrehina.Tsarovy ary fa mety maty ny olona.Zava-misy amin’izao fotoana izao tokoa ny fifehezan’ny olona ny siansa ka hahavitana manao zava-mahagaga,amin’izany dia mety tsy ho faty ihany aloha ny olona iray satria nanaovana grefy ny taova simba,ohatra.Na izany aza dia voafetra ihany izany zavatra izany satria tsy maintsy ho faty avokoa ny olona rehetra.

2-Antoka hahavelona ny mpino ny fitsanganan’i Jesoa

Fantaro ary fa na tonga aza ny fahafatesana dia efa natsangan’Andriamanitra Jesoa Kristy ho mpialoha lalana ny mino Azy rehetra (cf 1 Kor.15 :20).Koa amin’izany minoa an’Andriamanitra manao izany sy hanome izany ny mino Azy.Koa na misy aza ny fahafatesana,dia tsy hampisaraka ny mpino samy mpino izany,ary indrindra tsy hampisaraka ny mino amin’i Jesoa Kristy.Izany no nitenenan’I Paoly eto hoe Mino aho ka miteny hoe fantatray fa izay nanangana an’i Jesoa Tompo no hanangana anay koa miaraka aminareo izay mino rehetra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.