MOFON’AINA SABOTSY 19 FEBROARY 2022

32Ary izahay mitory ny filazantsara aminareo, dia ilay teny fikasana nolazaina tamin’ny razana, 33dia ny nahatanterahan’Andriamanitra izany tamin’ny zanatsika, raha nanangana an’i Jesoa Izy, araka ny voasoratra eo amin’ny Salamo faharoa hoe: Zanako Ianao, Izaho niteraka Anao androany (Sal. 2 : 7). 34Ary ny amin’ny nananganany Azy tamin’ny maty, ka tsy hiverina ho amin’ny lò intsony Izy, dia izao no voalazany: Homeko anareo ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an’i Davida (Isa. 55 : 3). 35Fa hoy Izy ao amin’ny Salamo hafa koa: Tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò Ianao (Sal. 16 : 10). 36Fa Davida, rehefa nahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra hahasoa ny olona niara-belona taminy, dia nodi-mandry ka nangonina ho any amin’ny razany izy ary tratry ny lò; 37fa Izay natsangan’Andriamanitra no tsy mba tratry ny lò. 38Ary aoka ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izany Lehilahy izany no itoriana famelan-keloka aminareo; 39ary ao aminy no anamarinana izay rehetra mino ho afaka amin’ny heloka rehetra izay tsy azo nanamarinana anareo tamin’ny lalàn’i Mosesy.ASAN’NY APOSTOLY 13.32-39

Mitaona ny olona ho amin’ny finoana an’i Jesoa ny Apostoly eto , ambarany mazava fa i Jesoa dia fahatanterahan’ny fampanantenana efa nataon’Andriamanitra tamin’ny olona hatrany aloha ela. Misongadina eto àry fa i Jesoa torian’ny Apostoly dia :

1-Jesoa nandresy ny fahafatesana

« Fa izay natsangan’Andriamanitra no tsy mba ho tratry ny lo »(and 37), voaporofo eto fa tena manatanteraka ny Teny nomeny Andriamanitra (Sal 16 :10), satria ny hevitry ny teny hoe : tsy tratry ny lo dia hoe : tsy resin’ny fasana fa nitsangana tamin’ny maty ary velona .Hamafisina amintsika araka izany fa i Jesoa velona no tompontsika , hivavahantsika , inoantsika .Amin’ny karazam-pivavahana rehetra misy eto ambonin’ny tany dia tsy misy na dia iray aza amin’izay nitarika teo , izay nodimandry tamin’izy ireny dia tsy nisy niverina intsony fa i Kristy , Ilay Teny tonga nofo no hany tsy tratry ny lo .Koa aza misalasala mino Azy .Hany fivavahana marina ny fivavahana kristiana .

2-Jesoa mahavela heloka

« Ao aminy no hanamarinana izay rehetra mino ho afaka amin’ny heloka rehetra izay tsy azo hanamarinana anareo tamin’ny alalan’i Mosesy » (and 39) , hoy ny voasoratra .Mihasikasina eto fa tsy nandresy ny fahafatesana ho an’ny Teniny akory i Jesoa fa mba hahazoany mamonjy izay rehetra mino Azy , mamela heloka izay rehetra mandray Azy .Tsy misy famelankeloka raha tsy ao amin’i Jesoa .Natao ho an’ny rehetra ny famonjena , saingy tsy ny rehetra no hovonjena fa izay mino ihany .Taomina àry ianao , minoa an’i Jesoa Tompo dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.