MOFON’AINA SABOTSY 21 MAY 2022

Izy no ananantsika fanavotana amin’ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren’ny fahasoavany, 8izay nataony be ho antsika tamin’ny fahendrena sy ny fisainana rehetra, 9rehefa nampahafantariny ny zava-miafina ny amin’ny sitrapony isika, araka ny safidiny izay nokasain’ny tenany, 10hahatanterahany ny fitondrana hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry, hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, dia ho ao aminy; 11ao aminy koa no nanaovana antsika ho lovany, rehefa notendrena rahateo isika araka ny fikasan’izay mahefa ny zavatra rehetra araka ny ankasitrahan’ny fony, 12mba ho fiderana ny voninahiny izahay, izay nanantena an’i Kristy rahateo. 13Ao aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin’ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo,- eny, ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana. 14Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin’ny fanavotana ny olona izay nahiny ho an’ny tenany, ho fiderana ny voninahiny.EFESIANA 1: 7-14

MPINO NANDRAY NY TOMBO-KASE

Asehon’i Paoly Apostoly eto ny mampiavaka ny olona nandray ny tombo-kasen’ny Fanahy Masina.

1- Mahalala ny drafi-pamonjen’Andriamanitra

« Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin’ ny fanavotana » (and.14) Manana ny fikasana manokana ho an ‘izao tontolo izao Andriamanitra dia ny famonjena tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Tsy ho takatry ny saina sy ny fahalalan’ny olona samirery izany raha tsy nomena ny Fanahy Masina.Izy no mitarika ny mpitory ny filazantsara, fa mifamatotra amin’izany ny olona manaiky tarihin’ny Fanahy Masina rehefa mandre ny Filazantsara dia mahatakatra ny asan’Andriamanitra. Ho fantany fa tia azy Andriamanitra, te -hanafaka azy amin’ny fatoran’ny fahotana. mamela ny helony ho famonjena azy.

2- Miaina amin’ny maha olon’ Andriamanitra

Hoy ny and 13 « ho aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin’ny fahamarinana… ». Tafaray amin’i Jesoa Kristy ny mpino nandray ny tombo-kasen’ny Fanahy Masina. Izany hoe : tsy mahalala ny drafi-pamonjen’ Andriamanitra fotsiny ny mpino fa rehefa nino ka nandray ilay famonjena, fa manana ilay Fanahy Masina mitoetra ao anaty sy mitarika azy dia tonga manana fiainana vaovao, fiainan’ny olom-boavonjy, fiainan’ny zanak’Andriamanitra. olona miaina miaraka amin’Andriamanitra. Mandray anao ho ao amin’ny lovan’ny olom-boavonjy Andriamanitra raha manaiky hotarihin’ny Fanahy Masina mandrakariva ianao.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.