MOFON’AINA TALATA 10 MAY 2022

25Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; 26fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.JAONA 14:25-26

NY FANAHY MASINA …

1-Izy no hampianatra ny zavatra rehetra

Tsy maintsy ho avy ny fotoana izay hisarahan’i Jesoa amin’ny mpianany .Ary izany no nampaherezany azy ireo ka nilazany hoe: « Aza malahelo ny fonareo… » Jao 14 :1…) .Nampanantena Izy fa ho avy ny mpananatra, dia ny Fanahy Masina. Izy no hampianatra ny zavatra rehetra izay efa nambaran’i Jesoa fony Izy tety an-tany. Maro mantsy ny zavatra izay tsy mbola nazava tamin’ny mpianatra tamin’izany , izay hihamazava miandalana aty aoriana,rehefa omena azy ireo ny Fanahy Masina .Izy no hirahin’ny Ray amin’ny Anaran’i Jesoa mba ho eo anilan’ny mpianatra mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao . Ny fitarihan’ny Fanahy Masina no mampianatra ny fiangonana izay rehetra lazain’ny Tenin’Andriamanitra .

2-Izy no hampahatsiaro izay rehetra nambaran’i Jesoa

Mora manadino ny mpianatra, ary tsy ny mpianatra ihany fa isika koa. Rehefa tsy eo intsony i Jesoa dia sarotra amin’ny mpianatra ny hitahiry izay rehetra nambarany ,satria eo ny tahotra noho ny fanenjehana , ao koa ny fanadinoana fotsiny izao amin’ny maha-olombelona .Ny Fanahy Masina no hiaro azy ireo mba tsy ho tratran’izany fanadinoana izany .Tsaroana eto ny nambaran’i Jaona hoe: « Ary koa rehefa nitsangana tamin’ny maty Izydia tsaroan’ny mpianany fa efa nilaza izany Izy, ary dia nino ny Soratra Masina sy ny teny izay nolazain’i Jesoa izy » (Jao 2 :22).Ny Fanahy Masina no mampahatsiaro antsika izay rehetra efa nambaran’i Jesoa , mba tsy hahatonga antsika ho tratran’ny fihemorana amin’ny finoana .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.