MOFON’AINA TALATA 12 APRILY 2022

13Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin’izay modi-mandry, mba tsy hahalahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana. 14Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran’Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin’i Jesosy hiaraka aminy. 15Fa izao no lazainay aminareo amin’ny tenin’ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin’ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory. 16Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ny fiantsoana sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha; 17ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika. 18Koa dia mifampionòna ianareo amin’izany teny izany.I TESALONIANA 4:13-18

Manambara ny fitiavan’i Jesoa Kristy sy ny toetran’ny kristiana manoloana ny fahafatesan’ny nofo ny mofonainantsika androany. Araka izany, ny olona vontom-pinoana ao amin’ny Tompo dia :

1 – Manantena ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty (and. 13-14)

Tamin’izany fotoana izany dia nisy ireo izay kely na tsy manam-pinoana ny amin’ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ka nahatonga fisalasalana tao aminy ny amin’ireo izay efa nodimandry. Nampatsiahivin’i Paoly azy ireo anefa ny fijaliana, ny fahafatesana izay nihatra tamin’i Jesoa ary ny fitsanganany tamin’ny maty. Ary ny zavatra mahafinaritra dia, izay rehetra maty ao amin’ny Kristy koa dia hatsangana indray amin’ny fotoan’andro. Ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty tokoa mantsy dia maneho ny heriny, ny maha-Andriamanitra. Aoreno ary ny fanantenanao ny amin’ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty fa ao amin’ny Jesoa Kristy irery ihany no misy izany.

2 – Hiaraka amin’ny Tompo rehefa miverina Izy (and. 17)

Anisan’ny fototra iray izay hijoroan’ny finoana kristiana ihany koa ny hiverenan’i Jesoa Kristy. Ambaran’ny and. 16 fa mifamatotra ny fiverenan’i Jesoa sy ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty. Hitsangana aloha ireo izay maty tao amin’ny Kristy ary izay vao isika. Jesoa Kristy dia tonga tety an-tany hitondra famonjena izay ahazoana ny fiainana mandrakizay. Rehefa nitsangana tamin’ny maty Jesoa Kristy dia nampakarina ho any an-danitra mipetraka eo an-tànan’ankavanan’Andriamanitra ary mampanantena Izy fa mbola hiverina indray, ary isika no hitsena. Tena fifaliana tokoa izany. Ny ho any amin’ny Tompo mandrakariva no fanantenana lehibe tokony hananan’ny mino, satria ao Aminy no misy ny fiainam-piadanana, fiainam-pahasambarana, fandresena sy fitsaharana.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.