MOFON’AINA ZOMA 10 JONA 2022

16Dia hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Manangòna fito-polo lahy amin’ny loholon’ny Isiraely ho etỳ amiko, dia izay fantatrao ho loholona amin’ny fireneny sy mpifehy azy; ary ento miaraka aminao ho ao amin’ny trano-lay fihaonana izy. 17Dia hidina Aho ka hiteny aminao eo; ary Izaho haka amin’ny Fanahy Izay ao aminao ka hametraka izany ao amin’ireo, ary hiara-mitondra ity firenena ity aminao ireo, fa tsy ianao irery intsony no hitondra azy. 18Koa lazao amin’ny olona hoe: Manamasìna ny tenanareo ho amin’ny ampitso, dia hihinan-kena ianareo; fa nitomany teo anatrehan’i Jehovah ianareo ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hanome hena hohaninay! fa soa no hitanay tany Egypta; dia homen’i Jehovah hena ianareo, ka hohaninareo. 19Tsy indray andro no hihinananareo na indroa andro, na hadimiana, na hafoloana, na roa-polo andro aza, 20fa hatramin’ny iray volana mipaka, dia mandra-pivoakany amin’ny vavoronareo ka haharikoriko anareo; satria nolavinareo Jehovah, Izay eo aminareo, ka nitomany teo anatrehany ianareo nanao hoe: Nahoana re no nivoaka avy tany Egypta izahay? 21Dia hoy Mosesy: Ny olona izay itoerako dia lehilahy enina hetsy izay mahalia lalana; ary hoy ianao: Homeko hena izy mba hohaniny mandritra ny iray volana. 22Moa ondry aman’osy sy omby va no hovonoina ho azy hahavoky azy? Sa ny hazandrano rehetra ao amin’ny ranomasina no hangonina ho azy hahavoky azy? 23Dia hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Nihafohy va ny tànan’i Jehovah? ankehitriny dia ho hitanao na ho tanteraka aminao ny teniko, na tsia. 24Dia nivoaka Mosesy ka nilaza ny tenin’i Jehovah tamin’ny olona; dia nanangona fito-polo lahy tamin’ny loholon’ny firenena izy ka nampitoetra azy manodidina ny trano-lay. 25Ary nidina teo amin’ny rahona Jehovah ka niteny taminy, dia nangalany ny Fanahy izay tao amin’i Mosesy ka napetrany tao amin’ny loholona fito-polo lahy; ary raha mbola nitoetra tao aminy ny Fanahy, dia naminany izy, nefa tsy nanao intsony.NOMERY 11:16-25

MANATANTERAKA NY TENINY NY TOMPO

1-Ka mahay mampisy ny tsy misy (and 21d-23)

Dia any anefitra ho any amin’ny tany Kanana ny zava-misy ity. Inona no zavatra mety ho hita any amin’ny tany efitra ankoatra ny tany maina ? Karaobato sy fasika .Tsy misy rano any, tsy misy ahi-maitso,tsy misy tanàna ahitana mpivarokena. Ary ny tena nahatezitra an’Andriamanitra dia ny fahalahelovan’izy ireo an’i Egypta ilay firenena nanandevo azy ireo .Teto dia nampanantenan’Andriamanitra izy ireo fa hihinankena mandritra ny iray volana maninjitra ary ho tofoka hena amin’ny farany. Na dia tany efitra tsy misy na inona na inona aza dia misy amin’Andriamanitra .Fahefana amin’ny tany rehetra no fahefany : « Moa misy zava-mahagaga izay tsy hain’i Jehovah va? » (Gen 18 :14)

2-Ka manome ny Fanahiny amin’izay olona nofidiany (and 15)

Nifidy loholona tamin’ny 70 lahy avy amin’ny zanak’Israely i Mosesy no fahatanterahan ny baikon’i Jehovah .Izy ireo dia olona efa lehibe, nomen’Andriamanitra ny ampahany avy amin’ny fanahin’i Mosesy ireo olona ireo mba hiara-mitondra aminy. Anisan’izay hevitra hitan’i Jehovah mba hampahomby kokoa ny fitondran’i Mosesy ny firenena izao, ary ny Fanahy tao amin’i Mosesy izay nahombiazany hatrizay no ho ao amin’ireo 70 lahy ireo mba hampahomby ny asa ataon’izy ireo ihany koa. Ho antsika olom-boafidy rehetra : nomena ny Fanahy Masina isika, koa aza misaraka aminy dia hahomby .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.