MOFON’AINA ZOMA 15 APRILY 2022

28Ary rehefa afaka izany, dia fantatr’i Jesosy fa efa vita ny zavatra rehetra tamin’izay, mba hahatanteraka ny Soratra Masina, dia hoy Izy: Mangetaheta Aho. 29Ary nisy bakoly feno vinaingitra nipetraka teo; ary nisy sipaonjy feno vinaingitra notohiziny tamin’ny hysopa ka nataony tamin’ny vavany. 30Ary rehefa nanandrana ny vinaingitra Jesosy, dia nanao hoe: Vita; dia nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny fanahiny. 31Ary satria andro fiomanana ny andro, dia nangataka tamin’i Pilato ny Jiosy mba hotapahina ny ranjon’ireo, ary hesorina ny faty, mba tsy ho tratry ny andro Sabata eo amin’ny hazo fijaliana, satria andro lehibe izany Sabata izany. 32Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon’ny voalohany sy ny an’ny anankiray koa izay niaraka nohomboana tamin’i Jesosy tamin’ny hazo fijaliana. 33Fa nony nankeo amin’i Jesosy izy, dia hitany fa efa maty sahady Izy, ka dia tsy mba notapahiny ny ranjony. 34Fa ny miaramila anankiray nandefona ny lanivoany, ary niaraka tamin’izay dia nisy rà sy rano nandeha. 35Ary ilay nahita dia vavolombelona manambara, ary marina ny fanambarany; ary fantany fa milaza ny marina izy, mba hinoanareo koa. 36Fa tonga izany mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: Tsy hisy hotapahina ny taolany (Eks. 12 : 46; Sal. 34 : 20). 37Ary hoy koa ny teny iray ao amin’ny Soratra Masina: Hijery Izay nolefoniny izy (Zak. 12 :10).JAONA 19:28-37

LAHATR’ANDRIAMANITRA HO AN’NY ZANANY

1 – Tsy maintsy miaritra fijaliana

I Jesoa Kristy na dia Andriamanitra aza dia nanaiky ny hidina, ho tonga olona. Endrim-pijaliana maro no niainan’i Jesoa : nokapohina, nolatsaina, nohomboina teo anelanelana jiolahy, notevatevain’ny olon-dratsy Izy. Ny amin’izany rehetra dia Andriamanitra no mandahatra satria efa nambaran’i Jesoa tamin’ny mpianany izany : any amin’ny Filazantsara araka an’i Lioka (Lioka 9 : 21-22 ; Lioka 9 : 44 ; Lioka 18 : 31-34). Azon’i Jesoa nialana mihitsy ireo fahoriana rehetra ireo, kanefa amin’ny maha -lahatr’Andriamanitra azy dia tsy maintsy nanaiky, satria izany rahateo no sitrapon’Andriamanitra Ilay naniraka Azy. Noho izany, fankatoavana an’Andriamanitra Ilay Rainy no antony tsy maintsy niaretany ny fijaliany.

2 – Ho famonjena ny olona rehetra

Rehefa ho faty i Jesoa dia niteny hoe : « VITA ». Midika izany fa tanteraka ny asany, ka nanolotra ny fanahiny tamin’Andriamanitra Izy. Jesoa dia tsy mba nanota na dia naka endrik’olona aza, satria Izy dia Teny tonga nofo, fa tsy maintsy niaritra Izy mba hahazoan’ny rehetra famonjena, dia Izy no fanatitra nikosoka ny heloky ny firenena rehetra sy ny taranaka rehetra. Tsy notapahana ny ranjon’i Jesoa mba hahatanteraka ny fepetra hifanojo amin’ny toetry ny zanak’ondrin’ny Paska : Zanak’ondry tsy misy kilema. Rehefa nolefonin’ny miaramila koa ny lanivoan’i Jesoa dia nisy RA sy RANO ho fanadiovana ny fahotana sy famafana ny heloka. Tokony hifaliantsika izany famonjena izany satria fandresena ho antsika izay mino an’i Jesoa Kristy. Nandefa ny Zanany malalany, Izy ho fitiavana antsika. Andeha hobanjinintsika ny fitiavan’Andriamanitra tanteraka tao amin’i Jesoa Kristy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.