MOFON’AINA ZOMA 6 MAY 2022

3Fa isika koa dia adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka, dia andevon’ny filàna sy ny fahafinaretana maro, ary velona teo amin’ny lolompo sy ny fialonana, sady hala no nifankahala. 4Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona, 5dia tsy avy tamin’ny asa amin’ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindram-po kosa no namonjeny antsika, tamin’ny fanasan’ny fiterahana indray sy ny fanavaozan’ny Fanahy Masina, 6Izay naidiny betsaka tamintsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, Mpamonjy antsika, 7mba hohamarinina amin’ny fahasoavany isika ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay.TITOSY 3:3-7

NY ASAN’NY FANAHY MASINA AMIN’NY OLONA

1-Manadio ho tonga olom-baovao

Anisan’izay nampianarin’i Paoly amin’ity Epistily ity ny amin’ny fitondrantena tokony hananan’ny mpino eo anivon’ny fiaraha-monina .Ambarany fa ny kristiana dia tokony hanaiky ny mpitondra sy ny manam-pahefana amin’ny fanatontosana izay rehetra mety ho asa soa, tsy tokony hanevateva olona , tsy ho liana ady , fa handefitra ka hanana fahalemem-panahy amin’ny olona rehetra . Tokony ho fantatry ny mpino mazava tsara fa mba nanana ny toetra ratsy izay efa niainany izy fahiny , efa nanohitra an’Andriamanitra mihitsy aza , saingy noho ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanadivan’ny Fanahy Masina dia afaka tamin’izany izy ka tonga olom-baovao . Ary ny fahatsapana sy ny fandraisana amin’ny finoana izany famonjena nataon’Andriamanitra taminy izany no hitarika azy hahay mihavana amin’ny olona rehetra .

2-Manamarina eo anatrehan’Andriamanitra

Marihan’ny Apostoly mazava tsara fa ny famonjen’Andriamanitra ny mpino dia tsy avy amin’ny fahatsarany sy izay ezaka vitany akory fa tena asan’ny fahasovan’Andriamanitra samirery , dia ny nandrotsahan’Andriamanitra be dia be ny Fanahy Masina tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjy (and 5).Izany dia efa nambaran’ny Apostoly rahateo araka ny voasoratra hoe: « Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana , ary tsy avy aminareo izany fa fanomezana avy amin’Andriamanitra , tsy avy amin’ny asa fandrao hisy hirehareha » (Efe 2 :8,9). Ary noho ny hamoram-panahy sy fitiavan’Andriamanitra izay tanteraka tao amin’iJesoa Kristy no nahatongavantsika hanana fanantenana ny amin’ny fiainana mandrakizay

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.