14 Ary raha hanontany anao ny zanakao amin’ ny andro ho avy ka hanao hoe: Inona no anton’ izao? dia holazainao aminy hoe: Tànana mahery no nitondran’ i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana;15 ary raha nanamafy ny fony ka tsy nandefa antsika Farao, dia novonoin’ i Jehovah ny lahimatoa rehetra tany amin’ ny tany Egypta, hatramin’ ny lahimatoan’ ny olona ka hatramin’ ny voalohan-teraky ny biby; koa izany no anaterako ho an’ i Jehovah ny lahy voalohan-teraka rehetra, fa ny lahimatoa rehetra amin’ ny zanako dia soloako.16 Ary ho famantarana eo amin’ ny tànanao sy ho fehy eo ambonin’ ny handrinao izany; fa tànana mahery no nitondran’ i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta.
EKSODOSY 13 :14-16
TANANA MAHERY
« Tànana mahery no nitondran’i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta, tamin’ny trano nahandevozana » (and 14)
1-Hanokanana ny voalohan-teraka
Nanjary lalàna ny hanokanana ny voalohan-teraka rehetra ho an’i Jehovah. Tsy noho ny namonoana ny lahimatoa tao Egypta anefa fa noho ny tànana mahery izay namonjy ny Hebreo . I Jesoa Kristy dia voalohan-teraka natolotra ho an’ Andriamanitra araka ny Lioka 2 :23. Nanjary voalohan-teraky ny zavatra rehetra Izy indrindra lahimatoan’ny maty, ny fitsanganana ary ny famonjena. I Jesoa Kristy izany « Ilay tànana mahery » manatsotra ny tànany hamonjy antsika. Koa meteza hifandray Aminy.
2-Atao ho famantarana
Lehibe ny famonjena hotsaroana isan-taona, ampitaina amin’ny taranaka fara mandimby ary ho famantarana eo amin’ny sandry sy ny handrina (and 8-10). Ny momba ny filakitera izay hoditra apetraka amin’ny sandry havia sy eo amin’ny handrina mirakitra ireo lalàna ho famantarana (Eks 13 :1-16; Deo 6 :4-9; 11; 13-21). manaraka amin’ny andavanandrom-piainan’ny mpino mihitsy ny fahatsiarovana ny famonjen’ Andriamanitra. Raiso, iaino ary ampitao ny tànana maherin’ Andriamanitra miasa ho anao.
Fanontaniana:
Manao ahoana ny fahazotoantsika manatitra santa-bokatra ho an’ Andriamanitra ?
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !