MOFON’AINA ALAKAMISY 23 AOGOSITRA 2018

29 Fa Petera sy ny Apostoly namaly ka nanao hoe: Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.30 Andriamanitry ny razantsika efa nanangana an’ i Jesoa, Izay novonoin’ ny tananareo nahantonareo teo amin’ ny hazo.31 Izy nasandratry ny tanana ankavanan’ Andriamanitra ho Tompo sy Mpamonjy, hanome fibebahana sy famelan-keloka ho an’ ny Isiraely.32 Ary izahay dia vavolombelon’ izany zavatra izany, ary ny Fanahy Masina koa, Izay efa nomen’ Andriamanitra ny manaiky Azy.33 Ary raha nandre izany izy, dia lotika ny fony, ka nihendry hamono azy izy.34 Dia nitsangana teo amin’ ny Synedriona ny Fariseo anankiray atao hoe Gamaliela, mpampiana-dalàna, izay nalaza teo amin’ ny olona rehetra, ary nasainy navoaka kely ireo olona ireo.35 Dia hoy izy tamin’ ny namany: Ry lehilahy Isiraely, tandremo tsara izay hataonareo amin’ ireo olona ireo.36 Fa nitsangana fahiny Teodasy ka nanao ny tenany ho zavatra; tokony ho efa-jato no isan’ ny lehilahy izay niandany taminy; fa novonoina izy ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy ka tonga tsinontsinona.37 Ary nanarakaraka azy indray, tamin’ ny andro nanoratana ny vahoaka, dia nitsangana Jodasy avy any Galilia; ary izy nitaona olona hikomy hanaraka azy; dia novonoina koa izy, ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy.38 Ary ankehitriny dia lazaiko aminareo: Mandefera amin’ ireo olona ireo, ka avelao ihany izy; fa raha avy amin’ olona izao saina na asa izao, dia ho foana;39 fa raha avy amin’ Andriamanitra kosa izao, dia tsy ho azonareo foanana, sao dia miseho ho mpiady amin’ Andriamanitra ianareo.
ASAN’NY APOSTOLY 5 :29-39

«  fa raha  avy amin’ Andriamanitra kosa izao, dia tsy ho azonareo foana sao dia miseho ho mpiady amin’Andriamanitra ianareo » and. 39

Iharan’ny fanenjehana sy ny fampahoriana tokoa ny mpitory ny Filazantsara saingy:

1- Tsy mahasakana ny asan’Andriamanitra izany

Manohy ny fitoriana ny Filazantsara hatrany i Petera sy ireo namany na dia teo aza ny fanenjehana sy fampahoriana natao tamin’izy ireo (and. 17-32). Tsy nahasakana ny asan’Andriamanitra ny fanenjehana sy fampahoriana ary ny ramatahora sy ny hatsojay. Niharan’ny  tahaka izany koa i Jesoa kanefa tsy nahasakana Azy hanatanteraka ny asam-pamonjena nanirahan’ny Ray Azy izany. Sady tsy nahasakana ny fandroson’ny asan’Andriamanitra koa izany kanefa koa dia :

2- Ady hatao amin’Andriamanitra

« Izay mandray anareo dia mandray Ahy ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy » hoy Jesoa (Mat. 10:40). Marina tsy azo iadin-kevitra koa ny mifanohitra amin’izany, fa izay manao fanenjehana sy fampahoriana ary hatsojay amin’ny mpanompon’Andriamanitra dia manao izany amin’Andriamanitra ilay niantso sy naniraka azy (Asa. 9:1-5). Raha izany dia ny Tompo mihintsy no hitsangana hanohitra ny hetraketraka hatao amin’ny mpanompony.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !