MOFON’AINA TALATA 11 JANOARY 2022

28 Dia nanatona an’i Jesoa ny mpanora-dalàna anankiray, izay efa nahare ny niadiany hevitra tamin’ny Sadoseo ka nahalala fa namaly azy tsara Izy, dia nanontany Azy hoe: Ny didy manao ahoana no voalohany amin’izy rehetra? 29 Ary Jesoa namaly hoe: Ny voalohany dia izao: Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany; 30 koa tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra (Deo. 6 : 4, 5). 31 Ary ny faharoa dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19 : 18). Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo. 32 Ary hoy ilay mpanora-dalàna taminy: Marina izany, Tompoko; tsara ny nilazanao fa iray ihany Andriamanitra, ary tsy misy afa-tsy Izy. 33 Ary ny ho tia Azy amin’ny fo rehetra sy ny saina rehetra sy ny hery rehetra, ary ny ho tia ny namana tahaka ny tena, dia mihoatra lavitra noho ny fanatitra hodorana sy ny fanatitra hafa rehetra izany. 34 Ary raha hitan’i Jesosy fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy Izy taminy: Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ianao. Ary tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.
MARKA 12 : 28 – 34

TSY LAVITRA NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA

Maro amin’ny olona, na dia ny milaza azy ho Kristiana aza, no tahaka an’ity mpanora-dalàna ity.   «  Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ianao », hoy i Jesoa.

1- Tsy lavitra saingy tsy ao anatiny fa any ivelany

Rehefa novalian’i Jesoa ny fanontanian’ireo Sadoseo dia nisy mpanora-dalàna iray indray nanantona Azy, nanontany hoe: Inona no voalohany amin’ny didy rehetra? Namaly izany tamin’ny fomba mazava Jesoa ka nampiaiky azy ny valin-tenin’i Jesoa. Ny mampalahelo dia olona mba nahalala ny Soratra Masina ihany, olona tia vavaka, olona efa niresaka tamin’i Jesoa, sady manaiky ny fampianaran’i Jesoa no tombanany hoe: « Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ianao ». Aiza ho aiza àry ny toerana misy antsika? Mbola lavitra sa akaiky? Anatiny sa ivelany?

2- Mahalala, saingy tsy mankato

Resy lahatra ity mpanora-dalàna ity fa marina sy mahitsy ny valin-tenin’i Jesoa, ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana no lehibe indrindra. Jiosy tia vavaka ity mpanora-dalàna ity no sady mahira-tsaina, ka nahatakatra izay nambaran’i Jesoa . Tsy ampy hahatafiditra ny olona any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ny fahalalana ara-tsaina fotsiny ny lalàn’Andriamanitra. Ary tsy natao hisehosehoana ivelany fotsiny ny fanaovana izany fa ho vokatry ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fitiava-namana. « Fa aoka ho mpankato ny teny ianareo, fa aza mpihaino ihany ka mamitaka ny tenanareo ». (Jak.1 :22).

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.