SABOTSY 5 NOVAMBRA 2022

5Ary Davida nanafika ka hita fa hendry tamin’izay rehetra nanirahan’i Saoly azy; ka dia nataon’i Saoly mpifehy ny miaramila izy sady nankasitrahan’ny vahoaka rehetra sy ny mpanompon’i Saoly koa. 6Ary nony tonga ny olona tamin’ny niverenan’i Davida avy namono ilay Filistina, dia nivoaka ny vehivavy avy tamin’ny tanànan’ny Isiraely rehetra ka nihira sy nandihy nitsena an’i Saoly mpanjaka tamin’ny ampongatapaka sy ny fifaliana ary ny kipantsona. 7Ary ny vehivavy mpandihy dia nihira hoe: Saoly nahafaty arivoarivo; Fa Davida nahafaty alinalina. 8Dia tezitra indrindra Saoly, fa tsy sitrany izany teny izany, ka hoy izy : Ny an’i Davida nataony alinalina lahy, fa ny ahy kosa nataony arivoarivo ihany; koa ny fanjakana ihany no sisa tsy mbola azony. 9Ary Saoly hatramin’izany andro izany dia nangarika an’i Davida.I SAMOELA 18 : 5-9

Ity tantara ity dia niseho taorian’ny nandavoan’i Davida an’i Goliata. Fa taorian izany mantsy dia fahombiazana hatrany no azon’i Davida. Araka ny hitantsika eto dia notendren’i Saoly ho komandin’ny miaramila izy. Hafatra ho antsika eto ny hoe :

TANDREMO NY FONAO TSY HALOTO

1 Sao tsy mahazaka fahamarinana

Tamin’ny fiverenan’i Davida avy nahafaty ilay Filistina, dia nivoaka hitsena an’i Saoly mpanjaka ny vehivavy avy amin’ny tananan’ny Israely. Ankoatra ny hira sy ny dihy izay fanao rehefa mitsena ny mpanjaka dia nanaitra ny mpanjaka ny hira nataon’ireto vehivavy ireto : « Saoly nahafaty arivoarivo; Fa Davida nahafaty alinalina ». Tsy zakany izany ka niteraka saina ratsy tao aminy. Tsy i Saoly ihany fa isika rehetra ihany koa raha teo amin’ny toerany dia nalahelo. Tsy ekentsika raha ny namantsika no misongadina noho isika. Na izany aza anefa dia teo-po tokony hialantsika izany, fa ny fahombiazan’ny hafa tsy voatery midika ho faharesentsika akory! Mianara ary madio fo ka mba afaka mifaly amin’ny fahombiazan ny hafa. Tsarovy fa efa nibedesan’i Jesoa an’i Petera io te hisongadina noho ny hafa io ka hoy Izy : « Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany? fa manaraha Ahy ianao. » (Jaona 21 :22)

2- Aza avela ahazo vahana ny ratsy

Tezitra i Saoly mpanjaka, satria vitsy ny azy no nambaran’ny olona. Nitarika ny fony sy ny sainy hihevitra ratsy izany. Satria natahorany hatramin’ny seza fiandrianany. Ary tsy nijanona hatreo izany fa nahatonga azy ho ratsy fijery an’i Davida. Mahagaga anefa fa izy ihany no nanendry an’i Davida ho mpifehy ny miaramilany. Raha jerentsika ny tohin’ny tantara dia nivadika zava-dratsy. Koa aoka isika hanana fahadiovam-po. « Koa esory ao am-ponao ny alahelo, ary avilio tsy hikasika ny nofonao ny ratsy… » (Mpito. 11 :10). Tsarovy ny Tenin’i Jesoa hoe: « Izay madio am-po no hahita an’Andriamanitra » (Mat 5 :8)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.