MOFON’AINA ZOMA 4 NOVAMBRA 2022

1Petera, Apostolin’i Jesoa Kristy, mamangy ny mpivahiny monina any am-pielezana any Ponto, Galatia, Kapadokia, Asia sy Bitynia, dia olom-boafidy 2araka ny fahalalana rahateo, izay an’Andriamanitra Ray, amin’ny fanamasinan’ny Fanahy, ho amin’ny fanarahana sy ny famafazan’ny ran’i Jesoa Kristy: hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana. 3Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny haben’ny famindram-pony ho amin’ny fanantenana velona tamin’ny nitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty, 4ho amin’ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo, 5izay arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny finoana ho amin’ny famonjena efa vonona haseho any am-parany. 6Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin’ny fakam-panahy maro samy hafa aza ianareo, raha tsy maintsy hisy izany, 7mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin’ny afo aza), dia amin’ny hisehoan’i Jesoa Kristy; 8Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra, 9mandray ny anton’ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahyI PETERA 1:1-9

HO AVY NY ANDRON’NY TOMPO

1-Efa nateraka ho olom-baovao ve ianao ?

Fanambarana lehibe no ataon’i Petera eto . Andriamanitra dia niteraka antsika indray araka ny haben’ny famidrampony ho amin’ny fanantenana velona …ho amin’ny lova tsy mety simba , tsy misy loto , tsy mety levona , voatahiry any an-danitra ho antsika . Jesoa dia efa niteny fa « izay ateraky ny nofo dia nofo , ary izay ateraky ny fanahy dia fanahy » (Jao 3 :6) ary nohamafisin’I Paoly izany hoe: « moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina dia tsy mba handova ny fanjakan’ny lanitra ? » (1 Kor 6 :9). Ity tenantsika potika sy mpankamamy fahotana ity dia tsy handova ny lanitra. Koa mila ateraka indray ao amin’I Jesoa Kristy isika. Ary izany no efa ataon’Andriamanitra araka ny voalazan’I Petera eto.

2-Tsy izay fahoriana anio no hamarotana ny ho avy

Ny fahafantarana fa miaina ilay fahateraham-baovao isika no miteraka toe-po vaovao , satria na dia ampalahelovana vetivety ankehitriny amin’ny fakampanahy maro samihafa aza isika , raha tsy maintsy hisy izany , dia hiravoravoantsika amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra izany any am-parany . Matetika ny fahoriana manjo antsika ety an-tany no mahavery hevitra antsika ka tsy hahatsiarovantsika ny any am-parany. Tsarovy fa efa manamboatra ilay tsara lavitra ho antsika I Jesoa. Any no hivantana isika rehefa tonga haka antsika Izy. « Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho , dia ho avy indray ka handray anareo ho any Amiko ka izay hitoerako no hitoeranareo koa ». (Jao 14 :3)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.