ALAKAMISY 20 OKTOBRA 2022

1 Farany, ry rahalahy, mifalia ao amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny manoratra teny averina, fa mahatsara anareo izany. 2 Tandremo ny tenanareo amin’ny amboa, tandremo ny tenanareo amin’ny mpanao ratsy, tandremo ny tenanareo amin’ny voakilema. 3 Fa isika no voafora, izay manompo amin’ny Fanahin’Andriamanitra ary manao an’i Kristy Jesosy ho reharehantsika ka tsy mitoky amin’ny nofo; 4 kanefa mba manana izay hitokiako amin’ny nofo ihany aho. Raha misy olona hafa manao hitoky amin’ny nofo, mainka fa izaho; 5 fa voafora tamin’ny andro fahavalo aho, avy amin’ny fototr’isiraely, dia avy amin’ny firenen’i Benjamina; Hebreo sady avy amin’ny Hebreo aho; araka ny lalàna, dia Fariseo; 6 araka ny zotom-po, dia nanenjika ny fiangonana; araka ny fahamarinana avy amin’ny lalàna, dia tsy nanan-tsiny. 7 Nefa izay azoko ho tombony dia nataoko fatiantoka kosa noho ny amin’i Kristy. 8 Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran’ny hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko, Izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny mba hahazoako an’i Kristy; 9 ary mba ho hita ao aminy aho tsy manana ny fahamarinako, izay avy amin’ny lalàna, fa izay avy amin’ny finoana an’i Kristy, dia ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny finoana; 10 eny, mba ho fantatro Izy sy ny herin’ny fitsanganany tamin’ny maty ary ny fiombonana amin’ny fijaliany ka hampitovina amin’ny endriky ny fahafatesany, 11 raha mba misy hahatratrarako ny fitsanganana amin’ny maty.FILIPIANA 3:1-11

Mamerin-teny amin’ny Filipiana iPaoly eto , satria mahasoa rahateo ny mamerina ny fahamarinana tokony ijoroana . Manamafy amin’izy ireo àry ny apostoly mba :

1-Hitandrina mba tsy ho voafitaka

« Tandremo ny tenanareo amin’ny amboa .Tandremo ny tenanareo amin’ny mpanao ratsy. Tandremo tenanareo amin’ny voakilema ».

Taomin’i Paoly ny kristiana eto mba ho mailo ka tsy ho mora hozongozonin’ny sasany amin’ny fampianarana sadasada sy hafahafa izay nahazo vahana tamin’izany vanim-potoana izany. Miantefa amintsika ankehitriny izany, malina isika fa maro loatra ny fampianarana sandoka eto amin’ny firenentsika. Ao ny mitonon-tena ho Mesia mpanjaka, ao ny milaza tena ho Jesoa mihitsy… Aza mivary lavo amin’ireny.

2-Tsy hitoky amin’ny nofo (and5-6)

« …fa voafora tamin’ny andro fahavalo aho , avy amin’ny firenen’i Benjamina, Hebreo sady avy amin’ny Hebreo aho, araka ny lalàna dia Fariseo ».

Aoka tsy alaim-panahy kosa isika hirehareha amin’ny firazanana (Hebreo) na zara andraikitra (Fariseo) na izay mety ho anarana isalorana amin’ny fanompoana fa tsy ireny akory no mahavonjy na zava-dehibe amintsika kristiana. Sao hoe : diakona aho, na mpiandry aho na mpitandrina aho… tsy zavatra azo itokiana na miantoka ny famonjena ireny akory.

3-Fa hihazona ny finoana (and 9)

« …ary mba ho hita ao Aminy aho tsy manana ny fahamarinako izay avy amin’ny lalàna , fa izay avy amin’ny finoana an’i Kristy ».

Ny finoana an’i Kristy ihany no aoka hotanantsika tsara fa ny finoana no mahavonjy (Mar 16 :16), ny finoana irery ihany. Izay mino no afaka mametraka an’i Jesoa ho ivon’ny fiainany sady manana fiainana (Hab 2 :4)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.