ALAROBIA 19 OKTOBRA 2022

13Ny teninareo dia mahery mamely Ahy hoy Jehovah. Nefa hoy ianareo: Inona no resakay nentinay namely Anao? 14Tamin’ny nanaovanareo hoe: zava-poana ny manompo an’Andriamanitra; ary inona moa no soa efa azo tamin’ny fitandremantsika izay nasainy notandremana sy tamin’ny nandehanantsika nitafy lamba fisaonana teo anatrehan’i Jehovah, Tompon’ny maro. 15Ary ankehitriny isika dia midera ny mpirehareha hoe sambatra; eny, voaorina tsara izay nanao ratsy, sady efa naka fanahy an’Andriamanitra izy, nefa afa-nandositra ihany. 16Ary tamin’izany izay natahotra an’i Jehovah dia samy niresaka tamin’ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an’i Jehovah sy mihevitra ny anarany. 17Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin’ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zananilahy izay manompo azy. 18Ka dia ho hitanareo indray ny tsi-fitovian’ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.19 Fa, indro, avy ny andro, mandoro toy na fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary; ka dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, ka tsy hasiany miangana, na ny fakany na ny sampany.20 Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron’ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin’ny tanany; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak’omby mifahy; 21 ary hohitsahinareo ny ratsy fanahy; fa ho lavenona eo ambanin’ny faladianareo izay amin’ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.22 Tsarovinareo ny lelan’i Mosesy mpanompoko, izay nandidiako azy tao Horeba ny amin’ny Isiraely rehetra, dia ny didy sy ny fitsipika.23 Indro, Izaho haniraka an’i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron’i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra; 24 ary izay hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka, ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy, fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin’ny fandringanana.MALAKIA 3:13-24

Efa voaorina ny manda, ary efa tafatoetra tsara ao Jerosalema indray ny Jiosy , kanefa nanjary tsy nanaja an’Andriamanitra intsony , ka tao ohatra ny nanao fanatitra biby manan-kilema , raha ny tsara indrindra no tokony atolotra an’Andriamanitra .Manoloana izany dia mitodika amin ‘ny vahoaka sy amin’ny mpisorona i Malakia miampanga ireto farany ho tsy manome ohatra tsara hotahafina . Maniraka an’i Malakia àry ny Tompo eto ( « irako » no dikan’ny hoe : Malakia ) hampahatsiahy fa :

1-Tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny fanamaivanana ny fanompoana Azy ka hilazana hoe:

« zava-poana ny manompo an’Andriamanitra , ary inona moa ny soa azo tamin’ny fitandremantsika izay nasainy notandremana ? « (and 14). Manao tsinotsinona ny Tompo izany ary tsy ialana maina fa « ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary ka dia handoro azy ny andro izay ho avy , hoy i Jehovah » (and 19);

2-Fa izay mitoetra ho mahatoky amin’ny fanompoana azy kosa

Manaja an’Andriamanitra ary mitahiry ny tenany ho an’Andriamanitra ary dia hovaliany soa ka ilazany hoe : « Ary hiposaka aminareo izay matahotra ny anarako ny masoandron’ny fahamarinana , manana fanasitranana ao amin’ny tànany ary hivoaka ianareo ka hifaly havanja tahaka ny zanakomby mifahy » (and 20). Hoy Jehovah : « ka dia ho hitanareo indray ny tsy fitovoan’ny marina sy ny meloka dia ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy » (and 18). Taomina àry isika hitoetra ho mahatoky amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ,haharitra amin’ny finoana fa tsy ho mpanome tsiny Azy tahaka ny sasany .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.