ALAROBIA 26 OKTOBRA 2022

7Fa antomotra ny faran’ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonòna tena ho amin’ny fivavahana. 8Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa « ny fitiavana manarona fahotana maro » (Oha 10 :12) 9Mifampiantranoa, ka aza mimonomonona. 10Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samy hafa izay an’Andriamanitra. 11Rana misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin’Andriamanitra, raha misy olona manompo, dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen’Andriamanitra azy; mba hankalazana an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy; fa Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena,I PETERA 4:7-11

Manoro hevitra antsika ny Apostoly Petera hoe: « Efa antomotra ny faran’ny zavatra rehetra » (and7) koa :

1-Hendre ka mahonona tena (and 7b)

Anarin’I Petera ny mino eto mba ho hendry , izany hoe: tsy hiverina amin’ny fanaranam-po intsony fa « ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon’ny Jentilisa tamin’ny nadehanana tamin’ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana ny sy filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra » (and 3) .Ny fahalalantsika fa ho avy tsy ho ela I Jesoa dia manery antsika hiaina ny fahamasinana fa tsy hiverina hivary lavo amin’ny fahotana indray fa ny « kisoavavy efa nisasa dia miverina mihosom-potaka indray » (2 Petera 2 :22) ary koa « amin’izao sisa izao , aza manota intsony » (Jao 5 :14) hoy I Jesoa ..

2- Mifankatiava tsara (and 8)

Tsy hoe : mitiava tsara na koa hoe : miandrasa hotiavina fa amin’ny endrika mifanao , izany hoe: ny mpino rehetra dia samy tokony hahay maneho fitiavana avy , tsy hifankahala fa izao tontolo izao aza mahay miombona sy mifanampy mainka fa ny Kristiana ? Baikon’I Jesoa amintsika rahateo izany hoe : « Didy vaovao no omeko anareo dia ny mba hifankatiavanareo » ( Jao 13 :34) .Atsaharo hatreo ny fankahala sy ny forongony ..

3-Mifanompoa (and 10)

« Araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo ».

Midika izany fa na iza na iza dia samy manana fanomezam-pahasoavana , tsy misy tsara sy ratsy ary tsy voatery, fa ny zava-dehibe dia izay ananana no entina mifanompo , tsy misy araka izany na iza na iza ka tokony hotompoina fotsiny .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.