MOFON’AINA ALAKAMISY 03 JONA 2021

18 Raha mbola nilaza izany taminy Izy, indro, tonga ny mpanapaka anankiray, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Maty ankehitriny izao ny zanako-vavy; fa andeha re, mametraha ny tananao aminy, dia ho velona izy.19 Dia nitsangana nanaraka azy Jesoa mbamin’ ny mpianany.20 Ary, indro, nisy vehivavy anankiray, izay efa narary roa ambin’ ny folo taona, nankeo ivohony ka nanendry ny somotraviavin-dambany.21 Fa hoy izy anakampony: Na dia ny lambany ihany aza no ho voatendriko, dia ho sitrana aho.22 Ary Jesoa nihodina ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao. Dia sitrana ilay vehivavy tamin’ izay ora izay.23 Ary Jesoa, nony niditra tao an-tranon’ ilay mpanapaka ka nahita ny mpitsoka sodina sy ny vahoaka nitabataba,24 dia nanao hoe: Mivoaha; fa tsy maty razazavavy, fa matory. Dia nihomehy Azy fatratra ny olona.25 Ary nony efa navoaka ny olona, dia niditra Jesoa ka nandray ny tànan-drazazavavy, dia nitsangana izy.26 Ary ny lazan’ izany dia niely tamin’ izany tany rehetra izany.
MATIO 9 :18-26

JESOA KRISTY : ANDRIAMANITRA

Ny asa fanasitranana sy famonjena nataon’i Jesoa dia nahatsara laza Azy teo amin’ny mpiara-monina taminy. Tsy nisy aretina na olana samihafa tokoa mantsy no entina teo amin’i Jesoa ka tsy nahitany vahaolana . Jesoa tokoa dia Andriamanitra.

1-Akaikin’ny olona

Andriamanitra azon’ny olona rehetra nanana olana natonina i Jesoa . Ilay mpanapaka maty zanaka nanatona an’i Jesoa, ilay vehivavy narary roa ambin’ny folo taona nanatona an’i Jesoa. Andriamanitra akaikin’izay manana olana rehetra i Jesoa. Andriamanitra nanaiky natonin’ny olona rehetra rahateo Izy. Ary raha ny marina, Izy mihitsy aloha no efa nanatona ny olona rehetra raha nidina avy tany an-danitra, mba ho mora amin’ny olona rehetra, indrindra ireo izay manana ilana ny manatona Azy. Mandraka ankehitriny dia mbola akaikin’ny olona rehetra Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

2-Manasitrana rehefa mahita finoana (and22)

Rehefa hitan’i Jesoa ny finoan’ilay vehivavy narary an-taona maro dia nositraniny izy. Tonga niasa avy hatrany i Jesoa rehefa mahita finoana ao amin’ny olona. Io finoana io no manosika sy manery Azy hamaha ny olan’ny olona rehetra manatona Azy tsara ny manatona an’i Jesoa. Tsara ny ho eo akaikiny fa tena zava-dehibe ary zavatra takian’i Jesoa ny finoana Azy. Ny hoe : mino Azy dia manaiky tsy am-pisalasalana fa hainy ny zavatra rehetra, indrindra ny mamonjy sy manafaka amin’ny geja samihafa. Zava-poana araka izany ny fanatonana an’i Jesoa kanefa tsy arahim-pinoana. Ekeo ho Andriamanitra afaka manala amin’ny geja samihafa i Jesoa.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.