MOFON’AINA ZOMA 04 JONA 2021

8 Mihainoa, ry oloko, dia hambarako aminao; enga anie hihaino Ahy hianao, ry Isiraely.9 Aza asiana andriamani-kafa eo aminao; ary aza mivavaka amin’ ny andriamanitry ny firenena hafa.10 Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta; atanatanao ny vavanao, dia hofenoiko.11 Fa tsy nihaino ny feoko ny oloko; ary ny Isiraely tsy nankato Ahy;12 Ka dia navelako hanaraka ny ditry ny fony Izy, handehanany manaraka ny fisainan’ ny tenany.13 Enga anie ka hihaino Ahy ny oloko, dia handeha amin’ ny lalako ny Isiraely;14 Vetivety dia hampietry ny fahavalony Aho, ka hamerina ny tanako hamely ny rafiny;15 Izay mankahala an’ i Jehovah dia hikoy aminy, ka dia haharitra mandrakizay ny andron’ ny oloko;16 Ary hampihinana azy vary tsara indrindra Izy; eny, tantely avy amin’ ny vatolampy no hamokisako anao.
SALAMO 81 :8-16

IREO TOMBONTSOA AMIN’NY FIHAINOANA AN’ANDRIAMANITRA

Sarotiny tamin’ny zanak’Israely Andriamanitra ka nandidy azy hihaino Azy. Ny fihainoana an’Andriamanitra mantsy dia ahazoana tombontsoa lehibe. Raha mamaky ny Deot 28 isika dia ahitana fa loharanom-pitahiana izany. Zava-dehibe araka izany ny mihaino an’Andriamanitra satria :

1-Ahazoana fahendrena

Fahendrena eo amin’ny fomba hitondrana ny fiainana eto amin’izao tontolo izao no tombontsoa voalohany azo avy amin’ny fahaiza-mihaino an’Andriamanitra sy ny Teniny. Mampiavaka ny mino amin’ny olona eto amin’izao tontolo izao izany fahendrena azo avy amin’ny fihainoana an’Andriamanitra izany. Jesoa raha teto amin’izao tontolo izao dia tena niavaka tamin’ity fahendrena ity, noho Izy nanam-potoana nitokanana nivavaka sy nihainoana an’Andriamanitra.

2-Ahazoana fitahiana sy fahasoavana

Loharanom-pitahiana tokoa ny fihainoana an’Andriamanitra. Hoy mantsy Mosesy hoe : « ary ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon’I Jehovah Andriamanitrao ianao » (Deot 28.2). Nampianarin’ny Jiosy ny taranany mihitsy izany fahaiza-mihaino an’Andriamanitra izany, ary tsy mba nafeniny ny taranany ireo tombontsoa aterak ‘izany. Resy lahatra ny amin’ny fahamarinan’izany ny Mpanao Salamo eto raha miteny hoe : « mihainoa, ry oloko». Ataovy ho zava-dehibe handraisam-pitahiana avy amin’ny Tompo ny fahaiza-mihaino Azy eto amin’izao tontolo izao. Adidy maha-Kristianina rahateo izany !

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.