Mofon’aina – ALAKAMISY 05 APRILY 2018

47 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino no manana fiainana mandrakizay.48 Izaho no mofon’ aina.49 Ny razanareo nihinana ny mana tany an-efitra, nefa maty ihany.50 Ity no mofo izay midina avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay mihinana azy.51 Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’ izao tontolo izao.52 Dia nifanditra ny Jiosy ka nanao hoe: Hataon’ ilehio ahoana re no fanome ny nofony hohanintsika?53 Fa hoy Jesoa taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon’ ny Zanak’ olona sy misotro ny ràny ianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo.54 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany.55 Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro.56 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao Amiko, ary Izaho kosa ao aminy.57 Ary tahaka ny nanirahan’ ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin’ ny Ray, dia tahaka izany koa izay mihinana Ahy no ho velona Amiko.58 Ity no mofo izay nidina avy tany an-danitra; tsy tahaka ny razana izay nihinana, nefa maty ihany; fa izay mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay.
JAONA 6 :47-58

NY FIAINANA  ATOLOTRY   NY TOMPO

Tsy maintsy   mihinana  mba ho velona . Tsy   izay rehetra  hohanina  anefa  dia mahavelona  avokoa. Jesoa  no toy ny sakafo   tena mahavelona antsika satria:

1-Mitondra fahavelomana  maharitra Izy (and 51-56)

Sakafo fototra   mitondra  aina  sy herim-batana  ny  mofo ka tsy  maintsy   hanina isanandro. Ny Rà  koa  dia milaza  aina  sy mitondra fahavelomana. Ny fampidirana  an’i Jesoa  hanjaka  eo  amin’ny fiainana  sy ny fandraisana  Azy ho Tompo  sy Mpamonjy   no mitondra aina  sy fahavelomana  maharitra  ho antsika . Aseho  ho hita   maso  sy azo tsapain-tànana  amin’ny alalan’ny fandraisana  ny  Fanasan’ny Tompo izany.

2-Avy amin’ Andriamanitra  Izy (and 57-58) 

Velona  mandrakizay  ny Tompo  ka ho velona  mandrakizay   koa izay   rehetra  mino Azy. Tsy tahaka  ireo   izay  nihinana  ny mana  tany anefitra kanefa  maty   ihany  satria   voafetra  ny fotoana  ny fotoana  nisiany   sy ny hamaroan’ny azo   notehirizina (Eks : 16) . I Jesoa  kosa  dia toy   ny mofo mitondra fahavelomana mitohy   sy maharitra   ka   manatrika  antsika    mandrakariva  ary  velona  mandrakizay , azo hatonina  amin’ny fotoana  sy  amin’ny toerana  rehetra . I Jesoa  no ilay  vahaolana  avy  amin’ Andriamanitra mitondra fiainana  sy fahavelomana ho an’izay  mandray Azy.

Fanontaniana:

Inona no mampiavaka  ny mofo  sy ny divaim-pandraisana  amin’ny mofo  sy ny divay  hafa rehetra?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !