Mofon’aina – ZOMA 06 APRILY 2018

14 Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay mitondra anay mandrakariva ao amin’ i Kristy toy ny fanaon’ izay avy nandresy, ka dia ampisehoany ny hanitry ny fahalalana Azy eny tontolo eny izahay.15 Fa hanitr’ i Kristy ho an’ Andriamanitra izahay amin’ izay hovonjena sy izay ho very:16 amin’ ny sasany dia hanitra avy amin’ ny fahafatesana ho amin’ ny fahafatesana; fa amin’ ny sasany kosa dia hanitra avy amin’ ny fiainana ho amin’ ny fiainana. Koa iza moa no antonona ho amin’ izany zavatra izany? 17 Fa tsy mba toy ny maro izay manatsatso ny tenin’ Andriamanitra hahazoam-bola izahay; fa toy ny amin’ ny fahadiovam-po kosa, dia avy amin’ Andriamanitra sady eo anatrehan’ Andriamanitra no itenenanay ao amin’ i Kristy.
2 KORINTIANA 2 :14-17

Tsy  tokony   ho  menatra  ny amin’ny maha- mpitory ny Filazantsara  isika satria :

1-Mpiombona fandresena  amin’i Kristy  (and 14)

Kristy  no lohan’ny  Fiangonana. Izy  no  mpitarika  Azy. Ny  fandresen’i Kristy  ny fahafatesana sy  ny herin’i satana  dia fandresen’ny fiangonana ihany  koa. Mpiombona fandresena amin’i Jesoa isika  ka toy  ny andian-tafika avy nandresy  tamin’ny  ady  dia  miombom-pifaliana  sy  miara-manamboninahitra  amin’ny  mpitari-tafika ny  miaramilany  rehetra .

2-Hanitr’i Kristy  (and 14-16)

Toy ny  zava-  maniry  mamoaka  fofo-manitra  sy  mamerovero  ny  Filazantsara ka ny  mpitory  no mitondra  izany eny  tontolo  eny  . Sarotra  afenina izany  hanitry  ny Filazantsara  izany   ka hitondra famelombelomana  ho an’izay  mankasitraka Azy. Fahafatesana kosa ho an’izay  tsy  mahazaka ny fofony .

3-Mitory  amin’ny fahitsiana (and 17)

Maro  ny  manao  ny asa fitoriana ny Filazantsara  ho fanangonan-karena ankehitriny  ka manao  izay  hampifaly  ny  fon’ny  maro  fotsiny  ihany  . Ny  tena  mpitory  ny Filazantsara dia manao  izany  amin’ny fahadiovam-po sy amin’ny fahitsiana ka tsy  toy  ny  mila  sitraka  amin’ny olona .

Fanontaniana :

Nahoana  no tsy  sahy  mitory  ny Filazantsara  ny  olona  sasany  na dia efa nampianarina aza ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !