MOFON’AINA ALAKAMISY 12 MAY 2022

25Ary rehefa nanambara sy nitory ny tenin’ny Tompo Petera sy Jaona, dia niverina nankany Jerosalema ka nitory ny filazantsara teny amin’ny vohitra maro izay an’ny Samaritana. 26Ary nisy anjelin’ny Tompo nilaza tamin’i Filipo ka nanao hoe: Mitsangàna, ka mandehana mianatsimo ho any amin’ny lalana midina avy any Jerosalema mankany Gaza; dia efitra izany. 27Dia nitsangana izy ka lasa nandeha; ary, indro, nisy lehilahy Etiopiana, tandapan’i Kandasy, mpanjakavavin’ny Etiopiana, sady mpitahiry ny hareny rehetra, ary tonga tany Jerosalema izy mba hivavaka; 28dia nody izy ka nipetraka teo anatin’ny kalesiny ary namaky teny tao amin’Isaia mpaminany 29Dia hoy ny Fanahy tamin’i Filipo: Andeha manatona ka mankanesa amin’io kalesy io. 30Ary Filipo nihazakazaka nankeo aminy, dia nandre azy mamaky teny tao amin’Isaia mpaminany, ka niteny taminy hoe: Moa fantatrao va izay vakinao? 31Fa hoy izy: Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra ahy? Ary izy nangataka an’i Filipo hiakatra sy hipetraka eo aminy. 32Ary izao no tenin’ny Soratra Masina novakiny: Nentina hovonoina tahaka ny ondry Izy, Ary tsy niloa-bava, Tahaka ny zanak’ondry moana eo anoloan’ny mpanety azy; 33Ny fietren-tena no nanaovana Azy resy lahatra; Ary iza no hahalaza ny amin’ny niara-belona taminy? Fa ny ainy nesorina tamin’ny tany (Isa. 53. 7, 8). 34Ary ilay tandapa namaly an’i Filipo ka nanao hoe: Masona ianao, iza moa no lazain’ny mpaminany amin’izany? Ny tenany va, sa olon-kafa?ASAN’NY APOSTOLY 8:25-34

NY TENA MPITORY FILAZANTSARA

Ny tantaran’ny nihaonan’i Filipo tamin’ilay tandapa Etiopiana no andraisantsika ny hafatra anio .Hisongadina amin’izany fa ny tena mpirory ny Filazantsara dia :

1-Manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina

Nisy anjelin’ny Tompo nilaza tamin’i Filipo ka nanao hoe : « Mitsangàna ka mandehana mianantsimo ho any amin’ny làlana mankany Gaza, izay mamakivaky tany efitra. Dia nandeha avy hatrany izy rehefa nahazo izany fanirahana izany .Zava-dehibe tokoa ny tokony hankatoavantsika ny baiko omen’Andriamanitra na dia tsy azontsika mazava dieny ety am-piandohana aza ny hevitry ny fanirahana .Andraikitra lehibe no apetraky ny Tompo amin’ny fiangonana satria Izy no maniraka ireo izay nantsoin’ny Tompo hitory ny Filazantsara . Ny tena mpitory Filazantsara kosa dia tsy hifidifidy toerana anirahana fa hanaiky handeha amin’izay hanendren’ny Tompo azy araka izay fandaminana apetraky ny fiangonana.

2-Vonona hampianatra ny Soratra Masina

Ary satria hitory ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy no nanoloran-tena sy niantsoan’ny Tompo an’i Filipo dia vonona izy ny hamaly izay mila fanazavana mikasika ny hevitry ny Soratra Masina .Indro lehilahy Etiopiana iray avy an-tany lavitra , nivahiny tany Jerosalema mba hivavaka ,niezaka mamaky ny Soratra Masina ,nitady ny fahamarinana nefa noho ny tsy fisian’ny mpampianatra azy dia tsy azony izay ambaran’ny Soratra Masina .Izany lehilahy izany no nanirahan’Andriamanitra an’i Filipo .Tsarovy fa ny tena andraikitra voalohany miandry ny mpitory ny Filazantsara dia ny hanazava ny hevitry ny Soratra Masina .Ataon’ny olona ahoana tokoa moa no fahay raha tsy misy mpampianatra? (and31)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.