MOFON’AINA ALAKAMISY 16 JONA 2022

8Tsarovy izany ka mahereza ianareo eritrereto tsara izany, ry mpiodina. 9Tsarovy ny zavatra taloha izay efa lasa ela; Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa; Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy tahaka Ahy, 10Izay manambara ny farany hatramin’ny voalohany, ary nanambara hatramin’ny ela izay tsy mbola natao akory, dia ilay manao hoe: Ho tò ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra, 11Izay miantso vorona mpihaza avy any atsinanana, dia lehilahy avy any an-tany lavitra hahefa ny fikasako; sady efa niteny izany Aho no hahatanteraka azy koa, sady nikasa Aho no hahefa azy. 12Mihainoa Ahy ianareo madi-po izay lavitra ny fahamarinana: 13Hampanatoniko ny fahamarinako, ka tsy ho lavitra intsony; ary ny famonjeko tsy hitaredretra; fa hametraka famonjena ao Ziona Aho sy ny voninahitro ho an’ny Isiraely.ISAIA 468-13

EFA ELA IZY NO NIASA HO ANAO !

1- Tsarovy ny zavatra taloha

Tsarovy ireo nitantanan’Andriamanitra anao. Fa nisy inona tany aloha? Raha ny olona nivantanan’ity teny ity no lazaina dia nisy fitantanan’Andriamanitra azy manokana. « Dia nitondra anareo tany anefitra efa-polo taona aho ; tsy rovitra teny aminareo ny fitafianareo, ary tsy rovitra teo amin’ny tongotrao ny kapanareo » (Deo. 29.4). Moa tsy toy izany koa ve no ambarany aminao anio ? Jereo ny lasanao fa feno ny famindrampony. Raha ny fahotana nataontsika dia tsy isan’izay tokony ho velona isika fa saingy tsy notsarovany ny lasantsika ary efa namboariny mihitsy aza hahatonga antsika ho sambatra ankehitriny. « Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa… » (Rom. 5.8).

2- Andriamanitra tsy miova Izy

Rehefa avy misaina ny lasa sy ny fitantanan’Andriamanitra isika dia mampahatsiahy Izy fa mbola tsy niova Izy, fa ilay efa niasa ho antsika hatramin’izay lasa izay ihany. Ary ambarany amin’izany fa tsy misy andriamanitra fa Izy ihany, ary hamafisiny fa tsy misy azo oharina Aminy na fitantanana ny olona na fiahiana ny olona. Tsy tiany hiherikerika amin’ny hery hafa isika satria tsy misy tia antsika mpanota afa- tsy Izy ihany, eny tsy misy mahavita antsika izany ankoatra Azy. Hoy Izy hoe : « Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho…. » (Isa. 46:4)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.