MOFON’AINA ALAROBIA 15 JONA 2022

1Ary ny tenako, izaho Paoly, dia mananatra anareo amin’ny hamoram-panahy sy ny fandeferan’i Kristy, dia izaho, izay manetry tena, hono, raha eo anatrehanareo, fa sahy aminareo kosa, raha tsy eo. 2Dia mangataka aho mba tsy ho sahy, rehefa tonga, amin’ny fahatokiana izay kasaiko hahasahiana amin’ny sasany, izay manao anay ho mandeha araka ny nofo. 3Fa na dia velona amin’ny nofo aza izahay, dia tsy mba miady araka ny nofo 4(fa tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay, fa mahery amin’Andriamanitra handrava fiarovana mafy); 5fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an’i Kristy, 6ary vonona hamaly ny tsi-fanarahana rehetra izahay, rehefa tanteraka ny fanarahanareo. 7Mijery zavatra araka ny fisehony ihany va ianareo? Raha misy olona matoky ny tenany fa an’i Kristy, aoka izay hisaintsaina izao indray, fa tahaka ny mah’an’i Kristy azy no mah’an’i Kristy anay koa. 8Fa na dia bebe ihany aza ny fireharehako ny amin’ny fahefanay izay nomen’i Kristy anay hananganana, fa tsy handravana anareo, dia tsy hahazo henatra aho, 9mba tsy hisehoako toy ny ta-hampitahotra anareo amin’ny epistily. 10Fa ny epistiliny, hoy izy, dia mavesatra sy mahery; fa malemy kosa ny fanatrehan’ny tenany, ary tsinontsinona ny teniny. 11Aoka izany olona izany hihevitra izao, fa tahaka ny fiteninay amin’ny epistily, raha tsy eo izahay, dia ho tahaka izany koa ny asanay rehefa tonga izahay.II KORINTIANA 10:1-11

NY FAHEFANA HO ENTINA MITORY NY FILAZANTSARA

1- Dia avy amin’Andriamanitra (and. 3-5)

Nisy mpampianam-pinoana sandoka, manaratsy an’i Paoly rehefa azon’ny fialonana izy. Nolazain’ireo fa tsy toy inona akory i Paoly rehefa hitany mivantana fa rehefa ao amin’ny amin’ny Epistily izy vao mody miseho ho henjana sy masiaka. Ambany ny fijerin’izy ireo an’i Paoly, kanefa ny fahefany entiny mitory ny Filazantsara anefa dia avy amin’Andriamanitra ka sahy manoratra ary manitsy sy mananatra izy ; eny fa na dia mety handona ny sokajin’olona samihafa aza dia tsy maintsy nataony izany satria efa nomen’ny Mpaniraka fahefana izy. Ry havana, rehefa hitory ny Filazantsara isika dia aoka ho sahy satria Andriamanitra no manome fahefana antsika hanao.

2- Tsy entina amin’ny maha-nofo (and. 3-4).

Asehon’i Paoly fa na dia olombelona nofo sy rà aza izy ka mety hiseho ny maha- olombelona dia tsy miezaka ny haneho izany izy. Nisy filozofa mantsy manambara fa amin’ny maha- nofo ny olombelona dia entin’ny maha -biby azy ny olona rehefa tsy manaiky ho entin’ny saina hany ka misendaotra, manaonao foana ary maneho fihetsika hafahafa ; ilay antsoin’ny kristiana hoe : « manohitra ny sitrapon’Andriamanitra« . Kanefa dia ambaran’i Paoly, fa ny fiadiany dia ny Tenin’Andriamanitra, ny Fanahy masina, ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana, ny vavaka. Ary mody malefaka ireo fa tena henjana be ny fiantefany mandrava manda mafy be an’ny Devoly. Ry havana rehefa miady, dia ireo enti-miady fa ho hitanao ny vokany avy eo. Ampirimina mihintsy ny maha-nofo fa tsy mahomby izany ireo.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.