MOFON’AINA ALAKAMISY 17 FEBROARY 2022

6Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy. 7Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin’i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy. 8Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah. 9Fa tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany no hahavon’ny lalako noho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo. 10Fa toy ny ranonorana sy ny oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry sy nampahavokatra azy, mba hahatonga voa ho an’ny mpamafy sy hanina ho an’ny mpihinana, 11Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.ISAIA 55:6-11

Ny Isaia 55 dia tafiditra ao anatin’ny antsoina hoe : « Isaia faharoa » (Isaia 40-55) , izay miresaka ny fiainan’ny vahoakan’Andriamanitra tany am-pahababoana . Eto dia antso no ataon’Andriamanitra mba :

1-Tsy hanjehy ny andro ho lava ny olona (and 6)

« Mitadiava an’i Jehovah dieny mbola hita Izy, miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy », hoy ny antso eto . Midika izany fa tokony hahay hanararaotra ny fotoana mbola mampiala nenina Azy Tompo ny olony ka hiverina Aminy , ary manamafy izany ny mpaminany raha milaza hoe: « aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny làlany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny » (and 7). Hitaomana antsika ihany koa izany tsy hangataka andro foana fa eto am-pamakiana izao mofonaina izao dia hiverina amin’Andriamanitra avy hatrany,mbola tsy tara .Tsarovy fa ilay jiolahy nahay nibebaka teo amin’ny hazo fijaliana aza dia mbola nilazan’i Jesoa hoe: « Anio no hihaonanao any am-paradisa » (Lio 23 :43). Aza miandry intsony, anio no fotoana hibebahana fa hamindra fo ny Tompo .

2-Mba hanaiky havela heloka ny olona (and 8)

« Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny làlanareo kosa tsy mba làlako », hoy i Jehovah. Tena asongadiny amin’izany fa vonona hamela ny heloka rehetra vitan’ny olony Izy , na toa inona izany na toa inona. Ary eo no tena mahavariana, ny olona no maniasia sy manadino an’Andriamanitra , kanefa Izy indray no mbola miantso ny olona sy manome tombondahiny ny olona hahazoana miverina aminy mba hananana fiainana sy miantso hoe: « mankanesa amin’ny rano » (and 1) .Inona indray àry no tokony andrasana , ianao indray ve no hisalasala , nefa Andriamanitra aza vonona hamela anao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.