MOFON’AINA ALAROBIA 16 FEBROARY 2022

11Ary rehefa ren’ny mpanjaka ny teny tao amin’ilay bokin’ny lalàna, dia nandriatra ny fitafiany izy. 12Ary ny mpanjaka nandidy an’i Hilkia mpisorona sy Ahikama, zanak’i Safana, sy Akbora, zanak’i Mikaia, sy Safana mpanoratra ary Asaia, mpanompon’andriana, hoe: 13Mandehana ianareo, ka manontania amin’i Jehovah ho ahy sy ny vahoaka mbamin’ny Joda rehetra ny amin’ny tenin’ity boky vao hita ity, fa mafy ny fahatezeran’i Jehovah izay mirehitra amintsika noho ny tsy nihainoan’ny razantsika ny tenin’ity boky ity hanao araka izay rehetra voasoratra ho antsika. 14Dia nandeha Hilkia mpisorona sy Ahikama sy Akbora sy Safana ary Asaia ka nankany amin’i Holda mpaminanivavy, vadin’i Saloma, zanak’i Tikva, zanak’i Harasa, mpitahiry ny fitafiana (fa nitoetra tao amin’ny tanàna ambany tany Jerosalema ravehivavy); dia niresaka taminy izy ireo.15Ary hoy ravehivavy taminy Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Lazao amin’ny lehilahy izay naniraka anareo ho atỳ amiko hoe: 16Izao no lazain’i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza amin’ity tanàna ity sy amin’ny mponina eto, dia araka izay rehetra lazain’ny boky novakin’ny mpanjakan’ny Joda. 17Satria nahafoy Ahy izy ary nandoro ditin-kazo manitra tamin’izay andriamani-kafa ka nampahatezitra Ahy amin’izay rehetra nataon’ny tànany, dia mirehitra amin’ity tanàna ity ny fahatezerako ka tsy hosakanana. 18Fa ny amin’ny mpanjakan’ny Joda izay naniraka anareo hanontany amin’i Jehovah kosa anefa, dia ambarao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny amin’ny teny izay novakinao, 19satria nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehan’i Jehovah, raha nandre izay nolazaiko ny amin’izay hanjo ity tanàna ity sy ny mponina eto dia ny handravana azy sy ny hahatongavany ho fanozonana ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako ianao, dia Izaho kosa efa nihaino, hoy Jehovah. 20Koa, indro, hangoniko any amin’ny razanao ianao ary hangonina any amin’ny fasanao amin’ny fiadanana; ary ny masonao tsy mba hahita izay loza rehetra ho entiko mamaly ity tanàna ity. Dia nitondra valiny ho any amin’ny mpanjaka izy ireo.II MPANJAKA 22:11-20

Ny fihetsika nataon’i Josia mpanjaka teo anatrehan’ny fahitana indray ny bokin’ny lalàna sy ny nandrenesaany ny fivakiny no mampianatra antsika koa fa ny Tenin’Andriamanitra norenesina dia tokony :

1-Hampanetry tena

Voalaza eto fa i Josia mpanjaka rehefa nanre ny Tenin’Andriamanitra novakiana taminy dia « nandriatra ny fitafiany ».Ny hevitra fonosin’izany dia ny fanatriatriarana ny fo mihitsy , ny fanetrentena feno sy tanteraka eo anatrehan’Andriamanitra ka hahatsiarovan-tena fa diso sy meloka ary menatra noho ny hadisoany . Iaao koa dia taomina hanao toy izany fa tsy hanamari-tena indray manoloana ny Tenin’Andriamanitra manambara ny sitrapony .

2-Hampitodika amin’Andriamanitra (and 13)

Nasian’i Josia hanontany an’i Jehovah ny tomponandraikitra . Izany fihetsika nataony izany dia maneho ny fahavononany hihaino an’Andriamanitra, hiverina amin’Andriamanitra indray . tsy hoe: menatra dia vao mainka nanalavitra na niery tahaka izay nataon’i dama sy Eva , fa tena fibaboana sy fitadiavana izay hamerenana ny fifandraisana amin’Andriamanitra, mitady famelankeloka raha lazaina amin’ny teny hafa .Tsy ho an’i Josia ihany anefa, fa ho an’ny vahoakany koa . Mpitondra hendry izy .

3-Hankatoavina fa loharanom-pamonjena

Mazava mihitsy ny Tenin’i Jehovah ho an’i Josia : « hangonina any amin’ny razany » izy . Ny hevitr’izany dia hoe; hahita fiadanana izy noho ny fanetrentenany,ny fahavononany hiverinasy hamerinany olona amin’i Jehovah .Noho izanydia teny fanomezantoky ny azony fa tsy filazana loza tahaka ny an’ireo izay minia tsy mankato na manao tsinotsinona ny Tenin’Andriamanitra

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.