MOFON’AINA ALAKAMISY 18 NOVAMBRA 2021

18 Koa mbola hiandry ny hamindrany fo aminareo ny Tompo, ary mbola hisandratra Izy mba hiantra anareo.Fa Andriamanitry ny fahamarinana ny Tompo; sambatra izay rehetra miandry Azy! 19 Fa ianao ry firenena mitoetra ao Ziona any Jerosalema, dia tsy hitomany intsony! Fa hamindra fo aminao tokoa Izy noho ny feon’ny fitarainanao; eny, raha vao reny izany dia hamaly anao Izy.20 Homen’ny Tompo mofo ianao raha ory, ary rano raha malahelo;tsy hiery intsony ny Mpampianatra anao;hahita ny Mpampianatra anao ny masonao.21 Fa na mivily ho amin’ny ankavanana ianao,na mivily ho amin’ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao hoe: Ity no lalana ka andehano.22 Ary holotoinao ny takelaka volafotsy voapetaka amin’ny sarivongana sampinao sy ny takelaka volamena voapetaka amin’ny sampinao voarendrika; harianao tahaka ny maloto izany. Mialà amiko! Izany no holazainao aminy.
ISAIA 30 : 18 – 22

TAFATOETRA NY FON’IZAY MIANDRY NY TOMPO

1– Satria mampanantena famindram-po Izy ( and 18a )

Ny tsy fahatokiana an’Andriamanitra ara-politika, ny fanopoan-tsampy, ny tsy rariny tao amin’ny fiaraha-monina, ny kolikoly, ny fanaparam-pahefana no fahotan’ireo vahoaka tao atsimo ireo. Tsy maintsy nihatra tamin’izy ireo ny kapoka araka izany. Izay sisa afaka amin’izany fotoana izany no hisitraka ity faminaniana mahavelom-panantenana ity, satria na mikapoka aza Izy dia mbola hamindra fo ihany. Hoy ny voalaza ao amin’ny Isaia 49 : 15 : « Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin’ny zanaka naloaky ny kibony ? Eny mety hanadino ihany izy fa Izaho kosa tsy mba manadino anao » .

2- Satria atorony ny làlana izorana ( and 21 )

Amin’ny fahatanterahan’ity faminaniana ity dia hisy Fanahy Masina hibitsika amin’ireo olona ireo izay tokony itondrany ny tenany sy izay hataony mba tsy hahavoa azy ireo intsony. Tsy inona izany fa ny Tenin’Andriamanitra. Zava-doza izany tsy mahafantatra ny lalana tokony haleha izany, satria mitondra tsy fidiny mankany amin’ny fahavoazana. Afaka mitoetra tsara ny fontsika rehefa misy Tenin’Andriamanitra mitari-dàlana. Hoy Izy hoe : « Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho ».

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.