MOFON’AINA ALAROBIA 17 NOVAMBRA 2021

19 Nisy Jiosy tonga avy tany Antiokia sy Ikonioma, izay nitaona ny vahoaka ka nitora-bato an’i Paoly, dia nitarika azy ho eny ivelan’ny tanàna satria noheveriny fa efa maty izy. 20 Nefa nony nanodidina azy ny mpianatra dia nitsangana izy ka nankao an-tanàna.20Nony ampitso dia niala tao izy sy i Barnabasy ka nankany Derbe. 21 Rehefa nitory ny Filazantsara tamin’izany tanàna izany izy ka nahazo mpianatra maro dia niverina nankany Listra sy Ikonioma ary Antiokia indray, 22 nampahery ny fanahin’ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin’ny finoana sady nilaza fa tsy maintsy ho amin’ny fahoriana be no hidirantsika ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. 23 Nanendry loholona ho azy ireo teo amin’ny isam-piangonana izy, dia nivavaka sady nifady hanina ary nanolotra azy ho an’ny Tompo izay efa ninoany.24 Rehefa nandeha namakivaky an’i Pisidia izy dia tonga tany Pamfilia. 25 Nony avy nitory ny teny tany Perga izy dia nidina nankany Atalia. 26 Avy eo izy dia niondrana an-tsambo hankany Antiokia, izay efa nanolorana azy ho amin’ny fahasoavan’Andriamanitra mba hanao ny asa izay efa novitainy. 27 Rehefa tonga tao izy ka namory ny fiangonana dia nilaza izay rehetra nataon’Andriamanitra tamin’ny niarahany taminy sy ny namohany ny varavaran’ny finoana ho an’ny Jentilisa. 28 Dia nijanona elaela ihany teo amin’ireo mpianatra izy.
ASAN’NY APOSTOLY 14 : 19 – 28

NY TENA MPANOMPON’I KRISTY

1- Ka sahy mandroso hatrany, na hihatra aman’aina aza ( and 20b, 21, 26 )

Mbola sahy nandeha tany Derbe hitory Filazantsara ihany i Paoly sy Barnabasy na dia efa saiky maty aza tao Lystra. Avy eo indray izy ireo mbola niverina tany Antiokia indray nefa jiosy avy ao no efa namono azy teo. Ry havana, tokony handroso mandrakariva amin’y asan’ny Tompo isika na dia mety hihatra aman’aina aza izany indraindray. Ny mandroso ihany no mety fa tsy mihemotra raha mbola manana herim-batana na dia kely monja aza. Mety hitsinjo ny aina ihany isika; tsy dia maninona loatra izany saingy ratsy raha mihemotra. Hoy ny Hebreo 10 : 38 ; « Fa raha mihemotra izy dia tsy sitrakay ny fanahiko ».

2- Ka sahy manambara amin’ny hafa izay nataon’ny Tompo taminy ( and 27 )

Rehefa tonga tany Antiokia izy ireo dia nitantara tamin’ny Fiangonana tao izay niarovan’Andriamanitra azy ireo hatraiza hatraiza. Izany fitantarana izany dia maneho ny fahaveloman’Andriamanitra ka mahavita miaro ny mpanompony. Mampitombo ny finoan’ny olona ny fihainoana izany. Ry havana, ny fijaliana iaretana mihitsy no Mampitombo ny finoana. Ary koa, ambarao amin’ny hafa izay nataon’ny Tompo tamintsika fa ilainy mihitsy izany ho fampaherezana. Hoy Jesoa ao amin’ny Matio 28 : 20 : « Indro Izaho momba anareo mandrakariva ambarapahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao ». Teny fanomezan-toky lehibe izany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.