MOFON’AINA ALAKAMISY 21 APRILY 2022

14Ary soraty ho amin’ny anjelin’ny fiangonana any Laodikia: Izao no lazain’ny Amena, dia Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan’izao zavatra noharin’Andriamanitra izao: 15Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana ianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafana ianao. 16Fa satria matimaty ianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan’ny vavako ianao; 17fa hoy ianao: Manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa ianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka; 18dia manoro hevitra anao Aho hividy amiko volamena voadio tamin’ny afo, mba hanan-karena ianao, ary fitafiana fotsy hotafinao, mba tsy hisehoan’ny henatrao noho ny fitanjahana, ary odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao. 19Izay rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha. 20Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko. 21Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin’ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin’ny Raiko eo ambonin’ny seza fiandrianany.22Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonanaAPOKALYPSY 3:14-22

JESOA KRISTY MPAMONJY

1 – Azo antoka

« Izao no lazain’ny Amen » (and. 14b) : Azo adika hoe azo antoka, voamarina tsara, mitombina tsara, azo ianteherana tanteraka, ny teny hoe « Amen ». Jesoa Kristy no nahatanteraka ny teny fikasan’Andriamanitra rehetra. Azo iankinana sy ianteherana Izy.

2 – Vavolombelona mahatoky sy marina

Ny vavolombelona dia sady mijoro manambara ny zava-misy hitany, niainany, natrehany, no sahy maty mijoro amin’izany fahamarinana izany na dia haningotra ny ainy aza. Niainan’i Jesoa ara-bakiteny ny maha Martiora Azy.

3 – Harena tsy mamitaka

« Manoro hevitra anao aho…mba hanankarena ianao » (and. 18) : Nihevi-tena ho mpanan-karena sy efa nihary fananana be ny mpino tao Laodikia, nitondra fanitsiana mazava manoloana izany i Jesoa. Tandremo ny fianteherana amin’ny harena tsy mateza, mora lo, tsy azo anankinana ny fo. Tandremo sao ny vola aman-karena no ianteheranao. Jesoa no tena Harena tsy mamitaka.

4 – Mitantana amin’ny fandresena miezinezina :

« Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin’ny seza fiandrianako… » (and. 21) : Foin’i Jesoa handova ny fiainana mandrakizay isika. Tia anao Izy ka mananatra, mitaona anao hibebaka, mialoha izany. Araraoty ary ny fotoana ahatsapanao fa mandondona ao am-ponao ny Tompo. Ampandrosoy Izy ary avelao hanjaka.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.