MOFON’AINA ALAROBIA 20 APRILY 2022

1Jehovah ô, Andriamanitro Hianao; Hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Hianao, dia zavatra efa voakasa hatramin’ny ela sady mahatoky no marina indrindra. 2Fa efa nataonao tonga korontam-bato ny tanàna; Ny tanàna mimanda dia rava tokoa; Ny lapan’ny fahavalo dia nataonao tsy vanon-ko tanàna; Tsy hatsangana intsony mandrakizay iny; 3Ka dia hankalaza Anao ny firenena masiaka, Hatahotra Anao ny tanànan’ny firenena lozabe. 4Fa fiarovana mafy ho an’ny reraka Hianao, eny, fiarovana mafy ho an’ny malahelo amin’ny fahoriany, fierena amin’ny ranonoram-baratra, fialokalofana amin’ny hainandro, fa ny rivotry ny mahery dia tahaka ny ranonorana mifafy mamely ny ampiantany. 5Tahaka ny fandresinao ny hainandro izay mamely ny tany karankaina no andresenao ny fitabataban’ny firenena hafa; Eny, tahaka ny amin’ny hainandro resin’ny aloky ny rahona matevina no andresena ny fanakoran’ny olon-dozabe. 6Ary Jehovah, Tompon’ny maro, dia hanao fanasana ho an’ny firenena rehetra eto amin’ity tendrombohitra ity, dia fanasana amin’ny zavatra matavy, fanasana amin’ny divay efa niotrika ela, zavatra matavy be tsoka, divay efa niotrika ela sady voadio tsara. 7Ary hofoanany eto amin’ity tendrombohitra ity, ny sarona izay manarona ny olona rehetra sy ny rakotra izay arakotra ny firenena rehetra. 8Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; Ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra sady hanafa-tondromaso ny olony eny amin’ny tany rehetra, fa Jehovah no efa niteny. 9Ary holazaina amin’izany andro izany hoe: Indro Andriamanitsika, izay nandrasantsika hamonjy antsika; Indro Jehovah, Izay nandrasan-tsika, koa dia aoka ho faly sy ho ravoravo amin’ny famonjeny isika.ISAIA 25:1- 9

NY HIRA FISAORANA AN’ANDRIAMANITRA

1 – Ataon’ny marina izay navotan’i Jehovah

Ambaran’ny mpaminany Isaia eto ny hira fisaorana amin’ny mpino mahatoky izay nametraka ny fiainany amin’Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny fanekem-pinoana « Jehovah ô, Andriamanitro hianao ».

Jehovah no ekeny, ary ny maha Izy Azy no ankatoavina eto , toetrany sy ny maha-Andriamanitra velona Azy. Ny mino izay navotan’i Jehovah dia afaka misaotra Azy, satria ho famonjena ny tsy fiovany. Deraina satria miavaka ny asany.

2 – Noho ny fandresen’i Jehovah.

Ny fandresena dia hanorenana indray ny fifaliana ao am-pon’ny olona. Ny divay dia mariky ny fiainana, izay enti-misaotra an’i Jehovah (25 : 6, 7). I Jesoa koa dia efa nilaza io fiverenan’ny divay io, ny fiaraha-misakafo lehibe any amin’ny fanjakany (Mat. 22 : 1-14 ; Lio. 22 :18 ; Jao. 2 :1-11).

Ny divay anambarana ny fiainana dia manambara ny fandresena tanteraka ny fahafatesana (25. 6).

3 – Avy amin’Andriamanitra ny famonjena

Eto amin’ity and. 9 ity ny mpaminany dia miverina amin’ny fanekem-pinoana ary mametraka tsara ireo teny fiderana farany izay miankina amin’ny fandresena ny fahafatesana. Avy amin’Andriamanitra ny famonjena (and. 1, 9).

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.