MOFON’AINA ALAKAMISY 21 JOLAY 2022

19 Nefa manantena ao amin’i Jesoa Tompo aho fa haniraka an’i Timoty faingana ho atỳ aminareo, mba hifaliako koa, rehefa fantatro ny toetrareo. 20 Fa tsy manana olona mitovy fanahy amiko aho na dia iray akory aza, izay hazoto hiahy anareo. 21 Fa izy rehetra dia samy mitady ny azy avy, fa tsy ny an’i Jesoa Kristy; 22 izy kosa dia fantatrareo fa lehilahy voazaha toetra, fa efa niara-nanompo tamiko teo amin’ny filazantsara, tahaka ny zanaka manompo ny rainy. 23 Ary izy no antenaiko hirahina faingana, rehefa hitako izay ho toetro. 24 Fa matoky ao amin’ny Tompo aho fa ny tenako dia mbola ho avy faingana koa. 25 Nefa nihevitra aho fa tokony hampandehaniko hankatỳ aminareo Epafrodito, rahalahiko sady mpiray asa amiko no miaramila namako ary irakareo sy mpanompo hanome izay nilaiko. 26 Fa manina anareo rehetra izy ka difotra alahelo, satria efa renareo fa narary izy. 27 Eny, fa narary saiky maty tokoa izy; nefa Andriamanitra namindra fo taminy, ary tsy taminy ihany, fa tamiko koa, fandrao hanana alahelo mifanontona aho. 28 Koa nazoto kokoa haniraka azy aho, mba hifalianareo, rehefa hitanareo indray izy, ary mba ho afaka alahelo kokoa aho. 29 Koa raiso ao amin’ny Tompo izy amin’ny fifaliana indrindra, ary omeo voninahitra izay olona tahaka izany; 30 fa saiky maty izy noho ny asan’i Kristy sady nanao ny ainy tsy ho zavatra mba hanefa izay tsy vitanareo tamin’ny fanompoana ahy.FILIPIANA 2:19-30

NY IRAKA MANAO NY ASAN’ANDRIAMANITRA

1-Mahatoky

« izy kosa dia fantatrareo fa lehilahy voazaha toetra fa efa niara-nanompo tamiko teo amin’ny Filazantsara ,tahaka ny zanaka manompo ny rainy » (and 22)

Tany an-tranomaizina i Paoly Apostoly no nanoratra ho an’ny fiangonana tany Filipy. Efa nikasa ho any izy saingy tsy tanteraka izany. Ankehitriny, maniraka an’ i Timoty ho any izy .Timoty izay olona mahatoky, mitana ny finoana hatrany na dia efa naiditra an-tranomaizina noho ny fijoroana ho vavolombelon’i Kristy.Toy izany ihany koa ny kristiana irahina hanao ny asan’ny Tompo dia mila olona mahatoky, tsy mivadika amin’ny Filazantsara sy ny finoana azy, tahaka ny fanaon’ny sasany (and 21). Ho anao koa, izay hirahina hanao ny asan’Andriamanitra, dia asehoy ny tenanao ho mahatoky, tsy miova amin’ny fifikirana amin’ny Filazantsara na dia hiaretana ny mafy aza.

2-Manolotra ny ainy

« fa saiky maty izy noho ny asan’iKristy , sady nanao ny ainy tsy ho zavatra mba hanefa izay tsy vitanareo tamin’ny fanompoana ahy » (and 30)

Epafrodito dia mpiara-miasa sady mpiara-miady ho an’ny Fiazantsara niaraka tamin’i Paoly sy Timoty. Niasa sady niara-nanatratra ny tanjona iombonana tamin’i Paoly izy ary narary saiky maty noho izany izy. Nanolotra ny ainy ho an’ny Filazantsara izy .Noho izany, atolory ho amin’ny fanompoana ny Filazantsara ny tenanao , aza manahy fa i Jesoa momba anao . Ataovy marina ny fanolorantenanao ho an’ny Tompo mba hanananao ny sain’i Kristy

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.