MOFON’AINA ZOMA 22 JOLAY 2022

7 Ary niantso ny roa ambin’ny folo lahy hankeo aminy Izy ka naniraka azy tsiroaroa sy nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto. 8 Ary nandrara azy Izy mba tsy hitondra zavatra ho any amin’ny halehany, na hanina, na kitapo, na vola ao amin’ny fehin-kibony, afa-tsy tehina ihany. 9 Fa asio kapa ny tongotrareo; ary aza mitondra akanjo roa. 10 Ary hoy koa Izy taminy: Izay trano hidiranareo, dia mitoera ao mandra-pialanareo any. 11 Ary izay tanàna tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino anareo, raha miala ianareo, dia ahintsano ny vovoka ao am-paladianareo ho vavolombelona aminy. 12 Dia lasa nandeha izy ireo ka nitory fa tokony hibebaka ny olona. 13 Ary demonia maro no navoakany; ary nohosorany diloilo ny marary maro ka nositraniny.MARKA 6:7-13

NY IRAK’I JESOA KRISTY

1-Nomeny fahefana

« ary niantso …Izy ka naniraka azy handeha tsiroaroa sy nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto »(and 7) . Nomena hery sy fahefana avy amin’i Jesoa Kristy ireo mpianatra nirahina .Hery sy fahefana handresy ny fanahy maloto na ny demonia .Ny hery izay nomena eto dia fanamafisana ny hafatry ny Filazantsara sady ho fanomezan-danja ny mpitory Filazantsara . Miankina amin’ny hery sy ny fahefana nomen’i Jesoa Kristy no hahafahan’ny iraka manatanteraka ny asa nampanaovina azy .Ary satria manana hery sy fahefana avy amin’i Jesoa Kristy izy dia tratra ny tanjona , sitrana ny marary , mivoaka ny demonia .Ny hery sy fahefana avy amin’i Jesoa Kristy ihany no hahavitana ny irany .

2-Asaina miankina Aminy

« ary nandrara azy Izy mba tsy hitondra zavatra ho any amin’ny alehany na hanina na kitapo , na vila ao amin’ny fehikibony afa-tsy tehina ihany (and 8). Tamin’ny andron’i Jesoa Kristy ,rehefa mandeha lavitra hamita iraka ny mpianatra dia mitondra vatsy mba hiarova-tena .eto anefa dia norarana izany ka tsy hitondra hanina na vola any amin’izay alehany ny mpianatra .Mila miankina feno amin’ny vatsy avy amin’Andriamanitra ny irak’i Jesoa Kristy ,na amin’ny lafiny finoana izany na amin’ny lafiny fitaovana .Tsy mahazo matoky tena na ny zavatra ananany ny irak’i Jesoa Kristy .Matokia sy miankina amin’i Jesoa Kristy amin’ny iraka ampanaovina anao , dia hahavita tsara izany ianao.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.