MOFON’AINA ALAKAMISY 24 MARTSA 2022

9Ny amin’ireo mpaminany. Montsamotsana ato anatiko ny foko, mangozohozo ny taolako rehetra, toy ny olona mamo aho, ary toy ny lehilahy leon-divay, noho ny amin’i Jehovah sy noho ny teniny masina. 10Fa feno mpijangajanga ny tany; Ary noho ny ozona no isaonan’ny tany, efa maina ny kijana any an-efitra; Ary efa ratsy ny fanaon’ny olona, sady ny tsi-fahamarinana no heriny. 11Fa na mpaminany na mpisorona dia samy mpihatsaravelatsihy avokoa; Na dia tao an-tranoko aza dia mbola hitako ihany ny haratsiany, hoy Jehovah. 12Koa dia ho toy ny lala-malama amin’ny aizim-pito ny lalany; Haronjina izy, ka dia ho potraka ao; Fa hahatonga loza aminy Aho amin’ny taona hamaliana azy, hoy Jehovah. 13Ary tamin’ny mpaminanin’i Samaria no nahitako zavatra mahaloiloy: Naminany tamin’i Bala izy ka nampivily ny Isiraely oloko, 14Ary tamin’ny mpaminanin’i Jerosalema koa no nahitako zavatra mahatsiravina; Mijangajanga sy mandeha araka ny lainga izy sady mampahery ny tanan’ny mpanao ratsy, ka samy tsy miala amin’ny faharatsiany; Eny, izy rehetra dia tonga tahaka an’i Sodoma raha amiko, ary ny mponina ao dia tonga tahaka an’i Gomora. 15Koa izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro, ny amin’ireo mpaminany ireo: Indro, hofahanako zava-mahafaty izy sy hampisotroiko rano mangidy, satria avy tamin’ny mpaminanin’i Jerosalema no nivoahan’ny faharatsiana ho any amin’ny tany rehetra. 16Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Aza mihaino ny tenin’ny mpaminany izay maminany aminareo, fa manadala anareo ireo; Ny fahitana avy ao am-pony ihany no lazainy, fa tsy izay aloaky ny vavan’i Jehovah. 17Milaza mandrakariva amin’izay manamavo Ahy izy hoe: Jehovah nanao hoe: Hahita fiadanana ianareo, ary amin’izay rehetra mandeha araka ny ditry ny fony hoe: Tsy hisy loza hanjo anareo. 18Fa iza moa no efa isan’ny mpihevitra teo amin’i Jehovah ka nahita sy nandre ny teniny? Iza no nanongilana ny sofiny taminy ka nihaino ny teniny? 19He! ny tadion’i Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin’ny lohan’ny ratsy fanahy. 20Ny fahatezeran’i Jehovah tsy ho afaka ambara-panefany sy ambara-panatanterany ny hevitry ny fony; Mbola ho fantatrareo marimarina izany any am-parany. 21Tsy naniraka ireo mpaminany ireo Aho, kanefa nidodododo ihany izy, tsy niteny taminy Aho, kanefa naminany ihany izy. 22Fa raha isan’ny mpihevitra teo amiko izy, dia ho nitory ny teniko tamin’ny oloko izy ka namerina azy hiala tamin’ny lalany ratsy sy tamin’ny faharatsian’ny nataony. 23Moa Andriamanitra etỳ akaiky ihany va Aho? hoy Jehovah. Fa tsy Andriamanitra any lavitra any koa? 24Moa misy olona mahafin-tena ao amin’ny fierena va ka tsy ho hitako? hoy Jehovah. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany va Aho? hoy JehovahJEREMIA 23:9-24

Eo anatrehany ny zavatra rehetra

1-Manaova ny tsara

Fanambarana ny zavatra ratsy hitan’Andriamanitra teo amin’ny mpanompony no nahatonga Azy hanambara io teny io .Tsy misy mahafi-tena eo anatrehan’Andriamanitra tokoa ny olona rehetra satria mihanjahanja eo imasony avokoa ny ataon’ny olona rehetra. Eny, hatramin’ny ao am-pon’ny olona aza dia hitany avokoa. « …ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo » (1 Sam 16 :7). Ambarany amintsika izany fa na dia miafina aza isika ka tsy hitan’ny olona dia hitan’Andriamanitra hatrany.

2-Hitany izay miseho

Azo ambara ihany koa anefa eto fa hitan’Andriamanitra izay manjo antsika sy iainantsika na dia heverintsika fa tsy mahita antsika anatin’ny fahoriana sy ny fijaliana aza Izy. Eo anatrehany avokoa na ny mahafaly na ny mampitaraina antsika. Andriamanitra tsy azo anafenana Izy, tena mahita sy mahatsapa izay mihatra. Ny olombelona heverintsika fa mpiahy antsika eo amin’ny fiainana no tsy mahatsapa ny zava-manjo antsika, fa Izy kosa mahita ary efa mandray andraikitra sahady .Manasazy izay mpanao ratsy ary mamonjy izay mila famonjena.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.