MOFON’AINA ALAROBIA 23 MARTSA 2022

1Ary nahare feo mahery avy tao amin’ny tempoly aho nanao tamin’ny anjely fito hoe: Mandehana, aidino amin’ny tany ny ao amin’ny lovia fito feno ny fahatezeran’Andriamanitra. 2Ary ny voalohany nandeha, dia nampidina ny tao an-doviany tamin’ny tany; dia nisy vay ratsy sady mampahory tamin’ny olona izay nanana ny mariky ny bibi-dia sy niankohoka teo anatrehan’ny sariny. 3Ary ny faharoa nampidina ny tao an-doviany tamin’ny ranomasina; dia nody rà tahaka ny ran’ny olona maty ny ranomasina: ary maty ny zava-manan’aina rehetra tao aminy. 4Ary ny fahatelo nampidina ny tao an-doviany tamin’ny ony sy ny loharano; dia nody rà ireny. 5Ary nahare ny anjelin’ny rano aho nanao hoe: Marina Hianao, ilay ankehitriny sy taloha, dia ny Iray Masina, satria efa nitsara toy izany Hianao; 6fa ny ran’ny olona masina sy ny mpaminany no nalatsany, ka dia rà kosa no nomenao hosotromy; ary tandrifiny ho azy irany. 7Ary reko ny alitara nanao hoe: Eny, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha, marina sy mahitsy ny fitsaranao.APOKALYPSY 16:1-7

Raha miverina mamaky ny Apo 13:11-17 isika dia mahafantatra tsara ny fametrahana ny mariky ny bibidia amin’ny olona rehetra sy ny sarangan’olona rehetra. Koa izay mitondra ny marika sy miankohoka ami’ny bibidia no hiantefan’ity loza ambara eto ity.

1-Ny loza ao amin’ny tany .

Nasain’Andriamanitra nararaka tamin’ny tany ny lovia fito feno ny fahatezeran’Andriamanitra ka vay ratsy sady nampahory ny olona nanana ny mariky ny bibidia sy izay niankohoka taminy. Izany loza nitranga izany dia mampahatsiahy antsika fa ataon’Andriamanitra tsy mitovy izay manompo Azy sy ny tsy manompo Azy. Teto dia navahan’Andriamanitra izay tsy niankohoka tamin’ny bibidia, kanefa tokony handini-tena isika manoloana izany zavatra mitranga izany. Ary tsy hoe: hifaly satria tsy voa fa tokony handini-tena .Vakio Lio 13 :4…

2-Ny loza tao amin’ny ranomasina

Rehefa nandraraka ny lovia feno fahatezerana tao anaty ranomasina ny anjely faharoa dia feno rà ny ranomasina. Maty sy ringana avokoa ny zava-mananaina tao anaty ranomasina. Loza tokoa izany, saingy mampalahelo raha ny fahatezeran’ny Tompo amintsika no handringanana ny zava-boahary manodidina antsika .Mifanohitra amin’izany anefa no ataon’Andriamanitra raha tena mibebaka marina isika ka miala amin’ny fahotantsika. Sitranin’Andriamanitra ny tanintsika raha mibebaka isika ary ataon’Andriamanitra mahavokatra ny tany onenantsika.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.