MOFON’AINA ALAKAMISY 27 JANOARY 2022

20 Ary tahaka an’i Melkizedeka tsy natao mpisorona raha tsy tamin’ny fianianana 21- fa ireny kosa dia natao mpisorona tsy tamin’ny fianianana, fa Ity tamin’ny fianianana nataon’ilay nilaza taminy hoe: « Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Ianao no Mpisorona mandrakizay » (Sal. 110. 4) 22- dia tahaka izany koa no nanaovana an’i Jesoa ho Mpiantoka ny fanekena tsara lavitra. 23 Fa natao maro ireny mpisorona ireny. satria tsy navelan’ny fahafatesana haharitra izy; 24 fa Izy kosa dia manana fisoronana tsy dimbiasana, satria maharitra mandrakizay Izy; 25 koa amin’izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy. 26 Fa Mpisoronabe tahaka izao no miendrika ho antsika: dia Izay masina, tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin’ny mpanota ka natao avo noho ny lanitra, 27 Izay tsy mila hanatitra fanatitra isan’andro tahaka ny ataon’ireny mpisoronabe ireny, voalohany noho ny otan’ny tenany, dia vao noho ny an’ny olona kosa; fa izany dia nataony indray mandeha ihany, raha nanatitra ny tenany Izy. 28 Fa ny lalàna dia manendry olona izay manana fahalemena ho mpisoronabe; fa ny tenin’ny fianianana kosa, izay tato aorian’ny lalàna, dia manendry ny Zanaka, Izay notanterahina ho mandrakizay.HEBREO 7:20-28

JESOA KRISTY MPISORONA

1-Maharitra mandrakizay

« fa Izy kosa dia manana fisoronana tsy dimbiasana , satria maharitra mandrakizay Izy » (and 24)

Tany amin’ny fanekena taloha, dia maro ireo mpisorona nifandimby nanao ny asa fisoronana tao amin’ny Tempoly .Anisan’ny antony lehibe mahatonga izany fifandimbiasana eo amin’ny fanaovana ny asa fisoronana izany ny fahafatesana .Tsy mba toy izany anefa i Jesoa Kristy, tsy azo dimbiasana ny asa fisoronana nataony satria velona mandrakizay Izy. Ary ny fahaveloman’i Jesoa Kristy sy ny fiakarany any an-danitra, mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra no hahafahany manohy hatrany ny asa fisoronana, satria mifona ho antsika isanandro Izy .ary izany no mahatonga antsika rehefa mivavaka dia hatao amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy .

2-Miavaka

« …dia izay masina , tsy misy tsiny , tsy misy loto , voasaraka amin’ny mpanota ka natao avo noho ny lanitra  » (and 26)

Miavaka amin’ny mpisorona rehetra i Jesoa Kristy , satria tsy voampentipentin’ny ota sy ny fahotana . Masina sady tsy manan-tsiny eo anatrehan’Andriamanitra, satria tsy mpanota sady tsy nanota, na dia niara-nonina sy nifanerasera tamin’ny mpanota, eny tonga hamonjy ny mpanota .Marihana tsara mantsy fa ny dikan’ny « voasaraka amin’ny mpanota », tsy nandroaka ny mpanota akory fa tsy nanao ny fanaon’ny mpanota. Ary izany no nahatonga Azy voalaza eto fa »Mpisoronabe tahaka izao no miendrika ho antsika », satria Izy no mahavonjy antsika. Jesoa Kristy irery ihany no Mpamonjy, satria Izy irery ihany no mendrika izany. Koa raiso sy ekeo ary iaino ny famonjena nentiny ho anao.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.