MOFON’AINA ALAROBIA 26 JANOARY 2022

18 Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka Sady mandalo ny fahadisoan’ny sisa amin’ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, Fa tia famindram-po. 19 Hamindra fo amintsika indray Izy Ka hanitsakitsaka ny fahotantsika, Eny, harianao ho any amin’ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra. 20 Hanefa fahamarinana ho an’i Jakoba Hianao Sy famindram-po ho an’i Abrahama, Dia ilay nianiananao tamin’ny razanay hatramin’ny andro taloha ela.MIKA 7.18-20

ANDRIAMANITRA TSY MISY TAHAKA AZY

1-Mpamindra fo

« Izay mamela ny heloka sady mandalo ny fahadisoana…tsy mitana ny fahatezerany …fa tia famindrampo … » (and 18).

Tonon kiram-pinoana sy fisaorana ho fiderana ny famindrampon’Andriamanitra no entin’ny mpaminany Mika mamarana ny bokiny. Ny fanafahana sy famonjena dia vokatry ny famindrampon’Andriamanitra ary izany no mbola ananan’ny olona fahavelomana . Amin’ny fotoana ahatsapan’ny olona fa noho ny famindrampon’Andriamanitra no mbola mahavelona azy dia hidera sy hisaotra an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy izy satria ny famindrampon’Andriamanitra dia raisina amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Koa derao mandrakariva Andriamanitra noho ny famindrampony.

2-Mitana ny fanekeny

« Hanefa fahamarinana…dia ilay nianiananao tamin’ny razanay hatramin’ny andro taloha ela » (and 20)

Nofaranan’ny mpaminany tamin’ny filazana ny fahazoana antoka ny famonjena ny boky.Ny filazana ny anaran’i Abrahama sy Jakoba dia midika fa ny fanekena nataon’Andriamanitra dia tsy miova ary mihatra amin’ny taranaka mifandimby .Tsy miova amin’ny Teniny Andriamanitra ary tsy mivadika amin’ny fanekena nataony na dia mivadika aza ny olombelona .Ary izany tsy fivadihan’Andriamanitra izany ihany koa no mahatonga an’Andriamanitra mamindra fo amin’ny olony. Ary ny lehibe indrindra amin’izany dia Andriamanitra mitana ny fanekeny izany , dia tamin’ny nanomezany antsika an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy antsika .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.