Mofon’aina – ALAKAMISY 28 JIONA 2018

22 Dia hoy Elia tamin’ ny olona: Izaho dia izaho irery ihany no sisa amin’ ny mpaminanin’ i Jehovah; fa ny mpaminanin’ i Bala kosa dia dimam- -polo amby efa-jato lahy.23 Koa aoka ireo no hanome vantotr’ ombilahy roa ho antsika; ary aoka izy no hifidy ny iray ho azy, dia handrasa azy ka hametraka azy eo ambonin’ ny kitay hazo, nefa tsy hasiana afo ao; ary izaho kosa hamboatra ny iray ka hametraka azy eo ambonin’ ny kitay hazo, nefa tsy hasiana afo koa ao.24 Ary miantsoa ny anaran’ ny andriamanitrareo ianareo, ary izaho kosa hiantso ny anaran’ i Jehovah; koa Izay Andriamanitra mamaly amin’ ny afo, dia aoka Izy no ho Andriamanitra. Ary ny olona rehetra namaly hoe: Marina izany teny izany.25 Ary hoy Elia tamin’ ireo mpaminanin’ i Bala: Mifidiana vantotr’ ombilahy iray ho anareo, ka dia manamboara aloha hianareo, satria ianareo no maro; ary miantsoa ny anaran’ ny andriamanitrareo, nefa aza asiana afo ao.26 Dia naka ny vantotr’ ombilahy izay nomeny azy ireo ka namboatra azy, dia niantso ny anaran’ i Bala hatramin’ ny maraina ka mandra-pitataovovonan’ ny andro izy nanao hoe: Ry Bala ô, henoy izahay! Kanjo tsy nisy nanoina na namaly akory. Ary nihinjakinjaka tamin’ ny alitara izay nataony izy.27 Ary nony nitataovovonana ny andro, dia nanesoeso azy Elia ka nanao hoe: Miantsoa mafy ihany, fa andriamanitra izy; angamba sondrian-dresaka izy, na miavela, na nisy nalehany, na matory angaha izy ka tsy maintsy hofohazina.28 Dia niantso mafy indray ireo sady nitetika ny tenany araka ny fanaony amin’ ny sabatra sy ny lefona mandra-pahaloa-drà tamin’ ny tenany.29 Ary na dia efa nitsidika aza ny andro, dia mbola naminany ihany izy hatramin’ ny fotoan’ ny fanatitra hariva; nefa tsy nisy nanoina, na namaly, na nihaino azy akory.
1 MPANJAKA 18 :22-29

Misy  fampianarana  ampitain’ Andriamanitra  amin’i Elia mpaminany  eto . Tokony  ho fieritreritry ny  olona mamaky ity teny ity izany.

1-Tsy  voatery  hahavita zavatra ny  maro 

Fitenintsika  Malagasy ny toy izao : « ny  mita be tsy  lanin’ny  mamba , ny akanga maro tsy  vakin’amboa… » izany hoe: heverina fa mahavita zavatra  sy tsy  hay tohaina  ny  maro. Asehon’ny Tompo kosa anefa eto fa tsy voatery ho marina izany  ary koa tsy rehefa vitsy eny na dia tokan aza  dia tsy hahavita na inona na inona mihitsy . Andriamanitra dia manana làlan-tsaina tena mifanohitra  ain’ny an’olona  satria ambarany  fa ny làlanareo tsy mba làlako  ary ny fihevitro tsy fihevitrareo (Isa 55 :8). Asongadina eto àry  fa na dia  vitsy   sy  tokana  aza dia mahavita  zavatra  rehefa  miankina amin’ Andriamanitra .

2-Aza mitoky amin’ Andriamanitra  tsy izy 

Ny  olona dia manana faharesen-dahatra  fa tsy  mahavita tena velively ka mitady hery any ivelan’ny tenany  mba hiankinana amin’ny trangan-javatra  maro  samihafa  eo  amin’ny fiainana. Iznay  no  mahatonga   ny  olona hivavaka   na ny  kristiana  na ny  tsy  kristiana  . Ny zavatra hivavahana kosa no  samy  hafa  satria  samy manana izay  maharesy  lahatra azy  ka hamonoany  tena mihitsy . Haseho  eto anefa fa na  dia misy  fianteherana amin’ny anriamanitra  hafa aza  dia tsinotsinona  ireny  . Koa  asakasak’izay  hivavaka amin’ny tsinotsinona .

Fanontaniana :

Vavaka manao  ahoana  no henoin’ Andriamanitra  sy valin’ Andriamanitry   ny kristiana ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !