MOFON’AINA ALAKAMISY 3 FEBROARY 2022

10 Fa izao no lazain’i Jehovah: Rehefa tapitra ny fito-polo taona ny amin’i Babylona, dia hamangy anareo Aho, fa hotanterahiko aminareo ny teniko tsara, ka hampodiko ho amin’ity tany ity ianareo. 11Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany. 12Ary hiantso Ahy ianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho. 13Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin’ny fonareo rehetra. 14Eny, ho hitanareo Aho, hoy Jehovah; ary hampodiko avy amin’ny fahababoana ianareo, ka hangoniko avy any amin’ny firenena rehetra sy avy any amin’ny tany rehetra izay nandroahako anareo, hoy Jehovah, ka hampodiko ho any amin’ilay tany efa nanolorako anareo hobaboina. 15Fa hoy ianareo: Jehovah nanangana mpaminany ho anay eto Babylona.JEREMIA 29:10-15

ANDRIAMANITRA MIHEVITRA NY FIAINAN’NY OLONA

1-Manana ny fandaminany (and 10,11)

Mazava tsara ny hafatr’Andriamanitra ho an’ny Jiosy : voafetra ny fe-potoana hitoerana any amin’ny tany fahababoana . Na dia tany fahababoana aza ny olona dia milaza ny fandaminana hotanterahiny Izy Andriamanitra : hamangy , hijery akaiky ny fiainan’ny olona ka hampody azy ireo indray any amin’ny taniny .Ekeo izay fandaminana asehony eo amin’ny fiainanao.

2-Manorina fifandraisana vaovao (and 12,13)

Babo tany Babylona ny Jiosy .Mijery azy ireo Andriamanitra ka mampanantena fa vonona ny handray an-tànana mandrakariva ny olona. Rehefa miantso Azy ny olona , mivavaka , mitady Azy amin’ny fo mibebaka dia mihaino Andriamanitra maneho ny fisiany amin’ny olona Izy . Mivavaha amin’Andriamanitra mandrakariva fa vonona hihaino anao Izy , manome izay mahasoa anao .

3-Manafaka (and 14,15)

Mihevitra mandrakariva ny fiainan’ny olona Andriamanitra .Mitana ny Teniny Izy fa ny tany Kanana no lovan’ny taranak’i Abrahama. Koa na dia nentina ho babo tany Babylona aza ny Jiosy dia miasa , mandray an-tànana ny fiainan’ny olona Izy ka hampody ireto Jiosy indray any amin’ny tany fampanantenana.Tsy sitrak’Andriamanitra ny iainanao amin’ny fahoriana sy ny fanandevozan’ny ota .Notanterahiny tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy ny fanavotana anao . Aoreno ao Aminy ny finoana .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.