MOFON’AINA ALAROBIA 2 FEBROARY 2022

1 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay tsy miditra amin’ny vavahady ho amin’ny valan’ondry, fa mananika ny fefy, dia mpangalatra sy jiolahy. 2 Fa izay miditra amin’ny vavahady no mpiandry ny ondry. 3 Ary izy no vohan’ny mpiandry vavahady; ary ny ondry mihaino ny feony; ary izay ondriny tokoa dia antsoiny amin’ny anarany avy ka entiny mivoaka. 4 Ary rehefa mamoaka ireo rehetra ireo izy, dia mialoha azy; ary ny ondriny manaraka azy, satria mahalala ny feony ireo. 5 Ary ny vahiny tsy harahiny, fa handosirany, satria tsy fantany ny feon’ny vahiny. 6Izany fanoharana izany no nolazain’i Jesoa taminy, nefa tsy azony izay zavatra nolazainy taminy. 7 Dia hoy indray Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izaho no vavahadin’ondry. 8 Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako; fa tsy nihaino azy ny ondry. 9 Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran’ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina. 10 Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.JAONA 10:1-10

NY FIAINANA HO AN’NY OLON’ANDRIAMANITRA

Notanterahin’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy ny fanomezana fiainana miavaka ho an’ny olony .

1-Fiainam-piadanana

Ny tontolon’ny fiandrasana ondry no nampiasain’i Jesoa Kristy nitondra fampianarana ho an’ny mpino Azy.Tsy mitovy ny fihetsiky ny tena mpiandry ondry marina sy ny mpangalatra. Ny vavahady hidirany , ny fifandraisany amin’ny ondry .Misy fiatraikany eo amin’ny fiainan’ny ondry izany .Manana fiadanana ny ondry manoloana ny tena mpiandry azy . Mihaino ny feony, manaraka azy amin’ny làlna (and3-4).Tsy manana fiadanana ny ondry raha mpangalatra no miditra ao amin’ny sehatra misy azy .Tsarovy fa i Jesoa Kristy dia tonga mba hanome fiainam-piadanana ho antsika .Koa mahaiza mihaino ny feony .

2-Fiainana azo antoka

Hamafisin’i Jesoa Kristy hatrany fa fiainana azo antoka no entiny ho an’ny olona .Hoy Izy : « Izaho vavahadin’ondry ». Azon’ny ondry ivoahana sy hidirana, nananan’ny ondry fahafahana feno, nefa koa i Jesoa, miaro amin’ny loza raha sanatria ka misy fahavalo mikasa hiditra hanimba ny fiainan’ny ondry .Izy no manakana ny fahavalon’ny ondry.Fiainana azo antoka araka izany no voaomany ho an’ny ondriny, ho an’ny olona manaiky hihaino ny feony sy hanara-dia Azy .Mitana ny teny nataony hatrany Andriamanitra. Nomeny antsika i Jesoa Kristy mba hananantsika fiainana .Matokia Azy !

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.