MOFON’AINA ALAKAMISY 30 AOGOSITRA 2018

1 Ary Davida niakatra niala teo ka nitoetra tao amin’ ny batery fiarovana tany En-jedy.2 Ary rehefa niverina avy nanenjika ny Filistina Saoly, dia nisy nanambara taminy hoe; Indro, Davida any an-efitr’ i En-jedy.3 Ary Saoly naka telo arivo lahy voafantina tamin’ ny Isiraely rehetra ka lasa nitady an’ i Davida sy ny olony tany amin’ ny vatolampin’ ny osi-dia.4 Ary tonga teo amin’ ny valan’ ondry tamoron-dàlana izay nisy zohy izy, ka niditra tao Saoly mba hiavela; nefa Davida sy ny olony efa nipetraka tao anatin’ ny zohy.5 Ary hoy ny olon’ i Davida taminy: Izao no andro nolazain’ i Jehovah taminao hoe: Indro, hatolotro eo an-tànanao ny fahavalonao hataonao araka izay sitrakao. Dia nitsangana Davida ka nitsaitsaika nanapaka ny sisin’ ny kapôtin’ i Saoly.6 Nefa nony efa vita izany, dia namely an’ i Davida ny eritreriny noho ny nanapahany ny sisin’ ny kapôtin’ i Saoly,7 ka hoy izy tamin’ ny olony: Sanatria amiko eo anatrehan’ i Jehovah, raha hanao izany zavatra izany amin’ ny tompoko izay voahosotr’ i Jehovah ka haninjitra ny tanako aminy, fa voahosotr’ i Jehovah izy.8 Dia nampijanona ny mpanompony tamin’ izany teny izany Davida ka tsy namela azy hitsangana hamely an’ i Saoly. Ary Saoly nitsangana ka niala tao an-johy, dia nandeha tamin’ izay nalehany.9 Ary rehefa afaka izany, dia mba nitsangana koa Davida ka niala tao an-johy koa, dia niantso an’ i Saoly ka nanao hoe: Ry mpanjaka tompoko ô! Ary nony nitodika azy Saoly, dia niondrika tamin’ ny tany Davida ka niankohoka.
I SAMOELA 24:1‑9

NY OLONA MISOROKA NY HERISETRA.

Nisoroka ny herisetra hatrany i Davida na dia efa nisy fotoana aza nahazoany namono an’i Saoly mba hampitsahatra ny herisetra atao aminy. Andeha hanao toa azy ka :

1-Mihaino ny feon’ny fieritreretana (and. 4‑7)

Feo roa no henon’i Davida eto. Andaniny, ny feon’ireo namany izay nandrisika azy hamono an’i Saoly. Ankilany kosa ny feon’ny fieritreretany izay mifanohitra amin’ny feon’iretsy namany. Nihaino ny feon’ny fieritreretany i Davida ka voatohitra ny fanaovana herisetra. Andriamanitra no manome io feon’ny fieritreretana io. Mila mihaino izany isika.

2 – Manaja ny maha-olom-boahosotra (and. 8‑9).

Ny maha-olom-boahosotra an’i Saoly no nataon’i Davida tao an-tsaina ka antony tsy nanaovany herisetra taminy. Na teo aza ny fanenjehan’i Saoly azy sy ny fifofony ny ainy dia nohajain’i Davida hatrany ny maha-olom-boahosotra an’i Saoly mpanjaka. fanehoana ny fanokanan’Andriamanitra olona iray ho amin’ny andraikilra manokana ny fanosorana. Olona tahaka ny olona rehetra anefa ireny olona ireny ka mety manana ny fahadisoany, mety manana ny fahalemeny. Tsy antony hanaovana herisetra amin’izy ireny anefa izany noho ny amin’ny maha-olom-boahosotra azy.

Fanontaniana :

Efa mba isan’izay nikasa hanao herisetra tamina Mpitandrina ve ianao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !