MOFON’AINA ALAKAMISY 4 AOGOSITRA 2022

15 Ary raha manota aminao ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao; 16 fa raha tsy mihaino anao kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny teny rehetra amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo (Deo. 19 : 15). 17 Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin’ny fiangonana; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy, dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy. 18 Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo etỳ ambonin’ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanareo etỳ ambonin’ny tany dia hovahana any an-danitra. 19 Ary lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ ambonin’ny tany na amin’inona na amin’inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin’ny Raiko Izay any an-danitra izany. 20 Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho.MATIO 18:15-20

MPAMPAHERY ISIKA FA TSY MPAMPIHAHAKA

1- Ialao ny fomba ratsy manafintohina olona

Tafiditra amin’ny famalian’i Jesoa ny fanontaniana momba izay lehibe indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra ity toromarika ity. Ambaran’i Jesoa fa lozan’izao tontolo izao noho ny fahatafintohinana! (18 :7). Manoro antsika ny fomba mahomby hisorohana ny fahatafintohinana izany Jesoa eto. « Ary raha manota aminao ny rahalahinao dia mankanesa any aminy… » (and 15). Ny hitaona olona ho any amin’ny fanjakan ny lanitra no iraka azontsika fa tsy ny fanaovana izao antsojay mampangatsiaka fiainam-panahin’olona amin’ny endriny samihafa lava izao.

2- Araho ny dingana momba ny famahana olana

Mazava tsara ireo paikan-damina voalahatra eto: Mahakasika anao ilay olana, nanota taminao ny rahalahinao, ianao izay voakasik’izany no manatona, manontany, mihaino, mandresy lahatra. Raha mbola tsy mivaha ny olana vao maka olona hafa ary any amin’ny farany efa tsy azo anoharana vao ambara amin’ny fiangonana. Ny fandikàna io lamina napetraky ny Tompo io dia manimba zavatra maro. Sady manala baraka olona no tsy ampy famakafakana ka mitondra fangatsiahana.

3- Mahaiza manaja ny rafitra antanan-tohatra

Misy ny rafitra izay nomen’ny Tompo fahefana manokana mba hanapa-kevitra. Zava-dehibe ny fanajana ireny rafitra mahefa nomen’ny Tompo andraikitra manokana ireny (and. 18). Aza maika ho any amin’ny fitsarana sy ny haino aman-jery fa hajao ny rafitra. Aoka tsy ho maika handingana ihany koa fa misy antanan-tohatra ny rafitra ato amin’ny fiangonana; Mahavaha olana izy ireny, ary mitandro ny firaisan’ny liangonana tsy ho simba.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.