MOFON’AINA ZOMA 5 AOGOSITRA 2022

4 Ary izany no lazaiko, fandrao hisy hampahadiso hevitra anareo amin’ny teny toa marina. 5 Fa na dia tsy manatrika anareo amin’ny nofo aza aho, dia manatrika anareo ihany amin’ny fanahy ka mifaly sy mijery ny filaminanareo sy ny tsi-fiovan’ny finoanareo an’i Kristy. 6 Koa tahaka ny nandraisanareo an’i Kristy Jesosy Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany koa, 7 ka mamaka tsara sy miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin’ny finoana, toy ny efa nampianarana anareo, ka mazoto amin’ny fisaorana. 8 Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy. 9 Fa ao amin’ny tenany no itoeran’ny fahafenoan’ny fomban’Andriamanitra rehetra; 10 ary ianareo dia tanteraka ao aminy, sady Izy no Lohan’ny fanapahana sy ny fahefana rehetra, 11 ary tao aminy koa no namorana anareo tamin’ny famorana tsy nataon-tanana, tamin’ny fanesorana ny tenan’ny nofo, dia tamin’ny famoran’i Kristy; 12 fa niara-nilevina taminy ianareo tamin’ny batisa, izay niarahanareo natsangana taminy koa noho ny finoana ny asan’Andriamanitra, izay nanangana Azy tamin’ny maty. 13 Ary ianareo, izay efa matin’ny fahadisoana sy ny tsi-fiforan’ny nofonareo, dia novelominy niaraka tamin’i Kristy, rehefa navelany ny fahadisoantsika rehetra; 14 ary novonoiny ny sora-tànan’ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin’ny hazo fijaliana, 15 ary nesoriny tsy ho eo amin’ny tenany ny fanapahana sy ny fahefana, ary noho ny hazo fijaliana dia nasehony miharihary ny fitondrany ireo toy ny fanaon’izay avy nandresy.KOLOSIANA 2: 4-15

TANO MAFY NY FINOANA KA :

1- Aoka hitandrina amin’ny fampianaran-diso

« Ary izany no lazaiko fandrao hisy hampadiso hevitra anareo amin’ny teny toa marina » (and.4). Niely tao Kolosia ireo fampianarana hafahafa izay miharo filozofian’olombelona. Misy ireo izay te hampifangaro ny fampianaran’i Kristy amin’ireo fampianaran’olombelona ka mampitandrina i Paoly manoloana izany. Mampitandrina antsika i Jesoa mba tsy ho voafitaka isika.

2- Tandrovy hatrany ny firaisan’ny fiangonana

« Mifaly sy mijery ny filaminanareo… ao amin’i Kristy » i Paoly dia manara-maso akaiky ny fiainan’ny fiangonana. Ilatrany hatrany, rehefa henony, fantany fa miray hina ny fiangonana. milaminana ny fiangonana, dia ampahafantariny ny fiangonana ny fifaliany manoloana izany. Io fiarovana ny firaisan’ny fiangonana tsy ho simba io dia tafiditra mihitsy amin’ny faneken’ny diakona aty amintsika, dia ny Fiangonana izay nanoloran’ny Tompo ny Tenany. Mariho fa filaminana ao amin’i Kristy no resahina eto. Fa tsy fanaovana marimaritra iraisana any an-kafa.

3- Mandeha, mamàka, miorina ao amin’i Kristy

« Mandehana ao aminy araka izany koa, ka mamáka tsara sy miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin’ny finoana » (and.7). Mifampiankina ary mifampitohy ireto fahamarinana ambaran’i Paoly ireto: Ny fandraisana an’i Kristy, ny fandehanana ao aminy, mamaka sy miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin’ny finoana. Oharina amin’ny hazo ny fifandraisana eto ka raha tiana ny hahita vokatra dia tsy maintsy mamáka tsara amin’ilay foto-boaloboka Tsy mahela na inona na inona isika raha tafasaraka Aminy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.