MOFON’AINA ALAROBIA 06 OKTOBRA 2021

7 Ary tonga ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay tsy maintsy hamonoana ny Paska.8 Ary Jesosy naniraka an’ i Petera sy Jaona ka nanao hoe: Mandehana, ka amboary ny Paska hohanintsika.9 Ary hoy ireo taminy: Aiza no tianao hanamboaranay azy?10 Dia hoy Izy taminy: Indro, raha miditra ao an-tanàna ianareo, dia hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; manaraha azy ao amin’ ny trano izay hidirany.11 Dia lazao amin’ ny tompon-trano hoe: Izao no lazain’ ny Mpampianatra aminao: Aiza ny efi-trano hiarahako mihinana ny Paska amin’ ny mpianatro?12 Ary izy hanoro anareo efi-trano malalaka ambony rihana, izay efa nasiana fipetrahana; any no amboary.13 Dia nandeha izy ka nahita araka izay efa nolazainy taminy; dia namboatra ny Paska izy.14 Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy mbamin’ ny Apostoly.15 Ary hoy Izy taminy: Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho.16 Fa lazaiko aminareo fa tsy mba hihinana izany intsony Aho ambara-pahatanterak’ izany ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.17 Ary nandray kapoaka Izy, dia nisaotra ka nanao hoe: Raiso ity, ka zarao aminareo;18 fa lazaiko aminareo fa hatramin’ izao dia tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pahatongan’ ny fanjakan’ Andriamanitra.19 Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe: Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.20 Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ ny rako, izay aidina ho anareo.
LIOKA 22.7-20

NY SAKAFON’NY FANASAN’NYTOMPO

1-Santatry ny any an-danitra

« …tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pahatongan’ny fanjakan’Andriamanitra  » (and 18)

Ny fiarahan’i Jesoa Kristy nihinana ny Paska tamin’ny mpianatra , izay fahatsiarovana ny fanafahana tamin’ny fanandevozana tany Egypta no hita eto.Tamin’izany no nanehoany fa santatry ny fiaraha-misakafo rahatrizay , hiarahany amin’ny mpino ao amin’ny fiainana mandrakizay izany. Koa izay miara-miombona amin’ny Fanasan’ny Tompo dieny ety ambonin’ny tany ihany no hiaraka hiombona latabatra amin’i Jesoa Kristy ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra rahatrizay. Ho anao izay mbola misalasala dia taomina handroso amin’ny fiombonana latabatra amin’ny Tompo fa santatry ny any an-danitra rahatrizay izany.

2-Fahatsiarovana an’i Jesoa Kristy

« …ity no tenako izay omena ho anareo. Izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy » (and 19)

Ambaran’i Jesoa Kristy amin’ny mpianatra eto fa ny fiarahany mihinana ny sakafon’ny Paska dia midika fa Izy nanolo-tena ho faty teo amin’ny hazo fijaliana ho famonjena ny mpanota . Manambara ny fijaliana sy ny fahafatesan’i Jesoa Kristy ny Fanasan’ny Tompo. Ka izay miombona amin’ny Fanasan’ny Tompo dia mahatsiaro izany asam-panavotana nataon’i Jesoa Kristy izany sy ny famonjena noraisiny noho izany. Nanorina ny Fanasan’ny Tompo i Jesoa hanehoany ny fanatrehany ny mpino kristiana . Ary izany no mahatonga azy hatoky hatrany ny fanatrehan’i Jesoa Kristy Mpamonjy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.