MOFON’AINA TALATA 05 OKTOBRA 2021

5 Ary ianareo izay mbola tanora fanahy kosa, dia maneke ny loholona. Eny, samia misikina fanetren-tena hianareo ka mifanompoa; fa « Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ ny manetry tena ».6 Koa amin’ izany manetre tena ambanin’ ny tàna-maherin’ Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ ny fotoan’ andro;7 ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.8 Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany;9 tohero izy, ka miorena tsara amin’ ny finoana ianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran’ izao tontolo izao.
1 PETERA 5.5-9

TOETRAN’NY MPINO MIORINA TSARA

1-Manetry tena

« manetre tena ambanin’ny tàna-maherin’Andriamanitra , mba hanandratany anareo amin’ny fotoana andro » (and 6)

Takiana amin’ny mpino kristiana ny fanetrentena eo amin’ny mpiara-manompo sy eo anatrehan’Andriamanitra. Ny hoe : fanetrentena dia tahaka ny manao ny fanamian’ny andevo ka manatanteraka ny asa fanompoana. Ny fanetrentena dia faneken’ny saina hanao ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny fikasana sy ny fiainana, manaiky fa ny fahatsarana rehetra dia avy amin’Andriamanitra. Ary raha tsy misy famindrampon’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy dia zava-poana ny fiainana. Koa izay rehetra manana izany fanetrentena izany no hisandratra amin’ny fiverenan’i Jesoa Kristy indray. Koa manàna fanetrentena.

2-Miankina amin’Andriamanitra

« …ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo » (and 7). Manoloana ny fahasahiranana sy ny olana mahazo ny mpino, ny fanenjehana, ny ahiahy sy ny tahotra noho ny amin’izao fiainana izao dia taomina ny kristiana hiankina amin’Andriamanitra .Tokony ho tsaroana mandrakariva fa i Jesoa Kristy no nitondra ny fahotantsika, ary ankehitriny, ento eo Aminy ny fanahianao rehetra. I Jesoa Kristy no efa maty teo amin’ny hazo fijaliana ho famonjena ny mpino rehetra. Izy ihany koa no misolo vava azy eo anatrehan’Andriamanitra Ray, ary mampahery antsika. Noho izany, ento eo amin’i Jesoa Kristy izay manery anao mba hamonjeny anao.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.