Mofon’aina – ALAROBIA 08 NOVAMBRA 2017

10 Ary rehefa mby akaiky Farao, dia natopin’ ny Zanak’ Isiraely ny masony, ka, indreo, ny Egyptiana tamy manenjika azy; dia raiki-tahotra indrindra ny Zanak’ Isiraely ka nitaraina tamin’ i Jehovah.11 Ary hoy koa izy tamin’ i Mosesy: Moa tsy nisy fasana va tany Egypta, no nentinao ho faty atỳ an-efitra izahay? Nahoana no nanao izany taminay hianao ka nitondra anay nivoaka avy tany Egypta? 12 Tsy izao va no teny nolazainay taminao fony tany Egypta hoe: Aoka izay fa avelao ihany izahay hanompo ny Egyptiana? Fa aleonay manompo ny Egyptiana toy izay ho faty any an-efitra.13 Ary hoy Mosesy tamin’ ny olona: Aza matahotra hianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen’ i Jehovah, izay hataony ho anareo anio; fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay.14 Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina.
EKSODOSY 14 :10-14

EO AM-PIANDRASANA NY  TOMPO

Tandindon’ny fiainan’ny  mpino  miatrika  zava-tsarotra eo  am-piandrasana ny fiavian’ny Tompo  ny tranga nahazo  ny Zanak’Israely eto . Eo am-piandrasana  ny Tompo  dia:

 

1-Ialao  ny fanomezan-tsiny (and 11-12)

Fanomezan-tsiny  an’i  Mosesy  no nibahana  tao an-tsain’ny vahoaka rehefa injay  ka tazan’izy ireo  nanaraka  avy  ao afara i  Farao  sy ny miaramilany (and 10). Toe-tsaina mpahazo  ny maro  koa matetika  ny fanomezan-tsiny ny mpitarika rehefa  injay ka tojo  ny sarotra na ny tsy nampoizina. Fimonomononana, fanomezan-tsiny, fialana  andraikitra  no  mipololotra  ao am-pon’ny  maro  fa tsy  mba fifanomezan-tànana sy fifampaherezana.

2-Itokio  ny herin’ny Tompo (and 13-14)

Naverin’ Andriamanitra  tamin’ny alalan’i Mosesy  ilay  teniny hoe: « Aza matahotra ». Narahina fampanantenana  fa ny Tompo  no hiady  ho azy ireo. Teny fanomezan-toky eo  anatrehan’ny sarotra izao teny izao. Mandra-piavin’ny Tompo  dia tsy maintsy  misedra ny sarotra ny mpino. Antoka handresena  izany anefa  ny herin’i Jesoa efa nandresy  ny herin’i Jesoa efa nandresy ny fahafatesana  sy ny teny fanomezan-toky   nomeny antsika manao  hoe: « aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana, nefa matokia , Izaho efa naharesy izao tontolo izao »(Jao 16 :33)

Fanontaniana:

Manao ahoana ny fihetsikao  raha misy  olana tampoka mitranga eo amin’ny fiainan’ny sampana na ny fiangonana?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !